Fankalazana ny 7 febroary : Hamafisina ny fiambenana PDF Imprimer Envoyer
Mardi, 07 Février 2012 00:00

Ho tapaka ny lalana eny Antaninarenina (Lalana Tsitsy – Rainitsarovy – Gabriel Ramanantsoa – Ratsimilaho – Henri Razanatseheno) anio, noho ny famoriam-bahoaka hatao eny, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny tsingerintaonan’ny 7 febroary. “Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana manerana an’Antananarivo renivohitra, ary hisy ny fisavana ireo rehetra ho avy eny Ambohitsorohitra. Mandeha mantsy ny tsaho fa misy mikasa hanao fanakorontanana sy fandrobana, ka efa mandray ny andraikitra tandrify izany izahay”. Hoy ny Jeneraly Ravalomanana Richard, lehiben’ny CIRGN omaly. Voalaza moa fa tsy nilana fangatahana alalana avy amin’ny prefet de police ity famoriam-bahoaka hatao etsy Ambohitsorohitra ity, fa mitovy amin’ireny fankalazana ny fetim-pirenena ao Mahamasina ireny. Koa mampametra-panontaniana ny maro hoe: “Moa ve izany efa lasa fetim-pirenena faharoa koa ny fankalazana ny fitsingerenan’ny 7 febroary?” Raha izany, nahoana no tsy mba hatao andro tsy fiasana toy ny fetim-pirenena koa ny androany? Hoy ny vazivazin’ny sasany.

Aina R.

 

une120516

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton