Halatra moto sy auto radio : Tratra i Kelimaso sy ny namany PDF Imprimer Envoyer
Mardi, 14 Février 2012 00:00

Efa maro ireo fitarainana voarain'ny polisin'Antsirabe mahakasika ny halatra moto sy ny batery ary auto radio ary efa nandritra ny fotoana maro no nanaovana ny fikarohana. Ny alarobia 08 febroary 2012 lasa teo, taorian'ny vela-pandrika nataon'ny polisy dia tratra ny raindahiny tamin'ireo halatra ireo izay atao hoe Michel ary fantatra amin'ny anaram-bositra hoe "Kelimaso".Ity Kelimaso ity no voalaza fa lehiben'ireo mpangalatra moto amin'iny lalana miatsinanana an'Antsirabe iny. Niaiky ny asa ratsy vitany ity jiolahy ity izay eo amin'ny 35 taona eo ho eo ary dia nanoro ny namany roalahy hafa koa atao hoe Razé sy RaEdmond. Raha ny loharanom-baovao voaray dia tambajotra mihitsy ny amin'ity halatra moto sy kojakojam-piarakodia eto Antsirabe ity ka mbola misy araka izany ny fikarohana ireo naman-dry Kelimaso toy ireo mpandray ny entana halatra. Hatolotra tsy ho ela ny fampanoavana ny raharaha ary mbola mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy ataon'ny polisy.
LOVA

 

une120519

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton