| By Pass : Polisy voaraoka tratra nangalatra moto |
|
|
|
| Mardi, 13 Mars 2012 00:00 |
|
Nandeha an-tongotra ireo mpangalatra ary tsy nanampo na inona na inona ireo voatafika Ny alahady tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro, nisehoana halatra moto teny amin’ny By Pass teny Andranomavo. Roalahy izy ireo ary nitondra basy. Tratra ihany anefa rehefa avy nifanenjehana. Tamin’izany no nahalalana fa polisy efa voaraoka ny iray ary olona tsy an’asa ilay namany. Tamin’io ora voatondro io, nisy olona roa, lahy sy vavy, ny iray nitondra moto ary ny faharoa nitondra fiara 4X4. Nifamotoana teny izy ireo. Niresaka teny amin’ny sisin-dalana ry zareo. Ireny avy any, nisy roalahy nanatona azy. Ny iray nikitika ilay moto sy namelona izany ary ny faharoa avy hatrany dia nanambana basy an’ireo olona roa sy nanery azy hiditra tao anatin’ilay fiara. Raha vao tafiditra ireo olona dia nentin-dry zalahy ilay moto. Avy hatrany dia nanenjika ireo tao anaty fiara sady nampilaza tamin’ny mpitandro filaminana. Tonga hatreny Ambohipo izany ary tany no narian’ireo mpangalatra ilay kodiaran-droa dia lasa nandositra izy ireo. Nenjehany hatrany ry zalahy ary tonga nanampy ny zandary avy ao Mahazoarivo. Toa tsy lasa lavitra ireto olon-dratsy fa tratra teny an-tanimbary amin’ny toerana atao hoe Ambohimandresika. Rehefa nosavaina izy ireo dia nahitana basy calibre 12 vita gasy sy antsy lava lela. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantatrana fa polisy efa voaraoka tamin’ny taona 2004 ny iray. r.s. |









