Andavamamba : Tokantrano in-droa notafihin’ny jiolahy mitam-basy PDF Imprimer Envoyer
Vendredi, 17 Février 2012 00:00

Manapoaka basy hatrany ireo jiolahy mba hampihorohoroana ny tompon-trano.

Tao anatin’ny telo andro monja dia in-droa notafihina andian-jiolahy mitam-basy ny tokantrano iray tetsy Ambilanibe – Andavamamba. Mba hampitahorana ny tompon-trano dia manapoaka basy ireo mpanafika. Avy any amin’ny « terasse » izy no miakatra ary pitsohiny ny savilim-baravarana.

Ny fanafihana voalohany dia nitranga tamin’ny alin’ny alakamisy lasa teo. Tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany maraina no tonga tao amin’ity trano ity ny andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana, ka rehefa tafakatra tao amin’ny « terasse » izy ireo dia nanapoaka basy no sady niditra an-keriny tao an-trano. Nambanan’ireo mpanafika tamin’ny basy ny tompon-trano ka notakian’izy ireo ny vola rehetra tao an-trano, sy ireo fitaovana sarobidy rehetra. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola 3,5 tapitrisa, miampy finday sy firavaka volamena ary kojakojan-tokantrano maromaro toy ny lecteur, fahitalavitra, sns.... Taorian’izay dia lasa nandositra ireo jiolahy.

Niverina. Ny alin’ny sabotsy teo dia mbola niverenan’ireo olon-dratsy indray ity tokantrano ity. Mitovy tamin’ny fomba nidiran’izy ireo ny alin’ny alakamisy ihany ny fomba nidiran’ireo jiolahy tao an-trano, ary mbola nanapoaka basy ihany koa. Niantso vonjy anefa ny tompon-trano ary tonga ihany koa ny fokonolona ka lasa nandositra ireo olon-dratsy. Araka ny voalazan’ireo niharam-boina dia saika isan’andro no andrenesana fanafihana amin’ity faritra ity.

Aina R.

 

une120519

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton