Alaotra : « Carrière » safira vaovao, olona aman’alina tonga any Ambohibe PDF Imprimer Envoyer
Mardi, 17 Avril 2012 00:00

Vetivety dia niely ny vaovao. Nirohotra any amin’ilay toerana avokoa na vahiny na tompon-tany

Nahitana « carrière » safira ihany koa any amin’ny toerana antsoina hoe Ambohibe Didy any amin’ny faritra Alaotra. Tao anatin’ny tapa-bolana izao, olona aman’aliny maro no efa tonga any amin’ilay toerana. Tsy safira ihany mantsy no hita any fa misy volamena koa. Amin’izao fotoana izao, feno vahiny ao Ambatondrazaka, Vazaha, Karana, Sinoa, Thailandais ary Malagasy. Feno avokoa ny hotely rehetra. Tsy lazaina intsony ireo matory amin’ny olom-pantatra sy eny an-tsena. Mbola misy ihany koa anefa ireo avy lavitra tonga tsy mihato. Ny ankamaroan’ireo dia efa miandry sahady hividy ny vokatra miakatra. Atao an-tongotra ny lalana mandeha any amin’ilay toerana. Maharitra 9 ora famataranandro vao tonga any raha miala eo Andaingo miatsinanana. Adiny 5 kosa raha avy eo Didy. Marihina fa ao anaty Ala arovana sy tany manan-tompo no misy an’io toerana io. Eo anatrehan’izao fifindra-monina izao, efa nandray ny andraikiny ny fitondrana ka mpitandro filaminana mahery ny zato no efa nalefa any.

Vidim-piainana. Raha ny eto Ambatondrazaka manokana, misondrotra be ny vidim-piainana tao anatin’ny herinandro monja. Miasa mafy koa ireo mpanao fitaterana. Ratsy dia ratsy ny lalana mandeha any Ambohibe ka ny taxi-moto no tena ampiasaina. Lalana 45 km no handoavana 40 000 ariary ka hatramin’ny 50 000 ariary. Misy ihany koa ny fiara 4X4 toy ny Land Rover mahazaka olona 20, ka eo amin’ny 20 000 ariary isan’olona ny sarandalana miampy ny entana. Voamarika afakomaly alahady fa mandeha ny fivarotana « barre à mine » sy angady ary ny kapa kiranila eto Ambatondrazaka.

Janus

 

une120519

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton