Ankadilalana : Fatin-jaza nisy nametraka teo am-body tambohon’ny jeneraly Ravalomanana PDF Imprimer Envoyer
Vendredi, 03 Février 2012 00:00

Ratra roa no hita tamin’ny vatan’ilay nototofana ravin-kazo.

Omaly tokony ho tany amin’ny 10 ora maraina tany ho any no nahitana fatin-jaza tao anaty tatatra akaiki’ny tamboho misy ny trano fonenan’ny jeneraly Ravalomanana Richard. Natao tao anaty lobolobo ilay izy ary ohatra ny nototofana ravin-kazo avy eo. Vetivety dia nihanaka eran’ny tanana ilay vaovao ary tonga nitangorona ny olona nizaha ny zava-nisy. Samy tsy nisy nikitika aloha ilay razana fa nampiantso dokotera avy hatrany ny tompon’andraikitra. Tamin’ny fizahana natao no nahitana ratra teo amin’ny mason’ilay zaza ary misy ratra ihany koa ny tongony. Nandeha teo ny resaka rehetra, fa ny nikambanan’ny daholobe,  dia efa maty ity zazavavy kely ity vao nisy nametraka teo ny fatiny. Ankeviny ho tamin’ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy no natao teo ilay izy. Mbola tsy simba ny razana ka izany no hilazana fa vao ny alina no naterina teo rehefa avy novonoina tany ambadika tany.

Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana mikasika ity vonoan’olona ity. Fa ny mahalasa saina ny mpandini-baovao dia izy natao teny amin’ny tobin’ny zandary. Asa izay tena dikan’izany, hoy ny resaka heno teny an-toerana.

r.s.

 

une120519

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton