| Sambava : Hita ny fatin’ireo vazaha lasan’ny ranomasina |
|
|
|
| Vendredi, 03 Février 2012 00:00 |
|
Ny andron’ny nahalasa an’ireo vazaha roalahy tany anaty ranomasina tany ihany no nahitan’ny olona ny fatin’izy ireo. Ny iray antsoina hoe Dubaelle Jacki, teratany frantsay ary ny faharoa Duclos Jean Louis, frantsay ihany koa. Toy izao ny fitantaran’ny nahita ny nitondran’ny ranomasina azy. Teo amin’ny 10 ora teo no niseho ny loza. Nandeha nilomano teo amin’ny sisin-dranomasina Ampandrozonana izy ireo. Lasa lavitra tokoa, hoy ireo mpizahatany hafa satria efa tokony ho tany amin’ny 60 metatra tany ho any. Tamin’izay, efa tsy tazana intsony ny iray fa ilay namany no tsy hita. Nanaitra ny olona teny an-toerana ireo nahita ny fisehon’ny loza. Tsy ela loatra taorian’izany dia nisy mpanjono telo lahy tao anatin’ny lakana ka ireo no nantsoina haka ny iray toa efa natsingevan’ny rano fotsiny. Norohizina tady ary notarihina teny amin’ny moron-dranomasina. Ny iray tsinjonay nandalo tery ambony ranomasina ka niara-nikiakiaka izahay, ny nahay nisioka moa nisioka niantsoantso azy ireo sady nanondro ny vazaha iray nitsikefona tao milomano amin’ny ranomasina. Izy ireo no nanatona ilay vazaha iray ary nahita azy fa efa maty ka dia notsipazany tady izy vao nororitina avy teny afovoamboan-dranomasina hankety amin’ny sisiny. Tamin’izay fotoana izay, tsy hita popoka kosa ilay namany. Tsy nisy ny fikarohana natao teo no eo fa samy niandry ny rehetra. Efa hariva ny andro, ny voalohan’ny volany febroary, no nahitana ny fatin’Itompokolahy DUCLOS, Jean Louis. Nentin’ny rian-dranomasina izy ka taty amin’ny faritra manakaikikaiky ny vinanin-dranomasina eo amin’ny faritra isarahan’Antaimby sy Sambava centre, sahabo eo amin’ny 2 km na 3 km aty avaratra ny toerana nandroan’izy roalahy no nahitana azy. Remi Rakotonirina |









