Mahajanga - Fokontany Aranta : Trano telo voatafika, olona iray maty, iray naratra PDF Imprimer Envoyer
Vendredi, 03 Février 2012 00:00

Ora mitovy no nitrangan’ity fanafihana niseho tao amin’ny fokontany Aranta ity ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Tokantrano 3 no indray nisy nanafika niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana toy ny basy, antsy sns.  Vokany, vehivavy iray maty voakenda ary lehilahy iray hafa kosa naratra mafy voatifitra. Raha ny nambaran’ireo nanatri-maso ny teny an-toerana dia vehivahy iray tompona trano fidiovana na “bain douche” ao Aranta ity maty ity. Noeritreretin’ireto jiolahy fa manam-bola be ka notafihiny. Ity lehilahy naratra kosa indray dia tompona “botry” mpitatitra olona ka izay no nanafihan’izy ireo azy. Raha ny voalaza hatrany, efa mato-paika tanteraka ity fanafihana ity, nisaron-tava avokoa ireo jiolahy nanafika. Ekipa iray ihany no nanatanteraka ny asa ratsy rehetra saingy nizarazara fotsiny. Araka ny nambaran’ireo fokonolona tao an-toerana izay tsy nitonona anarana dia mpitandro ny filaminana no nanome loharanom-baovao ireto jiolahy izay nanafika ireto manao hoe: “ao amin’ity fokontany ity misy olona tahaka izao manam-bola”. Noho ny tahotra, tsy sahy ireo fokonolona mitoroka ilay mpitandro ny filaminana. Nandritra ny fanafihana, lasan’ireto jiolahy ireto avokoa ny volamenan’ilay ramatoa maty ary lasa niaraka tamin’izay koa ny kitapom-bola saingy tsy mbola fantatra aloha hatreto hoe ohatrinona no tao anatiny. Raha ny feo mandeha, ireto jiolahy ireto dia efa nanafika tahaka izao tao amin’ity fokontany ity ary voasambotra ary rehefa nivoaka dia izao niverina namaly faty izao indray. Noho ireo rehetra ireo moa, nangataka ireo mponina ny hametrahana “poste avancé” ao amin’ity fokontany Aranta ity satria mateti-piseho loatra ny fanafihana mitam-piadiana tahaka izao eo amin’ny manodidina, indrindra hatramin’ny nisian’ny toby fiantsonana nasionaly na “gare routière”  vaovao ao an-toerana.

Tantely Vandriam

 

une120519

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton