2
         Aujourd'hui, le Friday, 19 March 2010 l Parution N°: 8068





 
 
Au chapitre des sanctions
Le danger partout !
Quand les militaires s’en mêlent
 

Retour de Camille Vital : Compte rendu à Rajoelina
.............................................
Droits de l'Homme : Naike Eliane à Genève avec des preuves

Carburants : Baisse de 100Ar/litre
.............................................
Stations-service : Baisse conséquente des fréquentations

Maladie des abeilles : Inquiétude des apiculteurs face à la propagation de la varroase
.............................................
Environnement - Atsinanana : une dizaine d’indicateurs en situation critique

Football transferts : L’Ajesaia saignée à blanc !
.............................................
Sports de combat : Place au Grand Festival de combats libres

Télévision : Un bilan de la créativité artistique en 2009 dans le nouveau « Mbarakaly »
.............................................
Pandora : Une soirée spéciale Majunga

Alakamisy Ambohidratrimo : Nirefotra ny basy sy ny baomba mandatsa-dranomaso
.............................................
Antsiranana : Vola 15 000 Ar no tamby tamin’ilay horonatsary “porno”

 

 

Faits Divers PDF Print E-mail
Written by Administrator   
Sunday, 06 December 2009

Ambilobe

Novonoiny ny reniny, dia namono tena izy

Tovovavy 23 taona no namono ny reniny tamin’ny vely famaky noho ny resa-bola, tao Andrafialava distrikan'Ambilobe, ny zoma lasa teo. Raha ny filazan'ireo olona nahafantatra ny tena fandehan'ilay raharaha dia resaka vola 3000Ar  no tena fototry ny olana teo amin'izy mianaka. Voalaza tamin'izany fa nangataka io vola io tamin'ilay reniny rakalakely, mba hakany sary. Nilaza fa tsy nanana ilay vola moa ramatoa, ka dia raikitra ny fifamaliana teo amin'izy mianaka. Roa andro mialoha an'io anefa dia vao avy nivarotra moto ilay renin'ilay kalakely, ka io indrindra angamba no tena nampiakatr'afo ilay tovovavy raha nilaza fa hoe tsy nisy vola sahady izy. Nilaza tamin'ilay reniny fa hoe hamono tena moa i kalakely raha toa ka tsy omena ilay zavatra nangatahiny. Na dia teo aza izany dia toa tsy dia niraharaha ilay tenin-janany ramatoa. Taorian'izay dia ilay reniny mihitsy no norahonany hodarohina; ary dia raikitra ny fifampikasihan-tanana teo amin'izy mianaka. Tsy nahatohitra an-dreniny moa ilay tovovavy, ka dia nijery zava-maranitra avy hatrany, ary vohona-famaky no namelezany ny hatok'ilay reniny. Torana avy hatrany ity farany, ilay zazavavy kosa nitsoaka no sady nitomany. Nifamonjena ka noentina namonjy mpitsabo ilay ramatoa, tsy tana intsony ny ainy na dia efa niala nenina tany amin’ny mpitsabo aza. Araka ny vaovao farany voaray dia fantatra fa namono tena ilay tovovavy, ka dia niara-nandrasana ny fatin'izy mianaka. Anton-javatra tsy dia mafonja loatra, no nampifamono azy mianaka ireto. Marihina manokana fa izy mianaka ireto ihany no miray trano, satria efa ela no nisaraka tamin'ilay rain-janany ramatoa.

Mamy Augustin


Lire aussi

Analakely : Norasarasain’ny mpanendaka hareza ilay vazaha, rotika ny tarehiny
Ambalavao isotry : Vehivavy matin’ny courant
Vaovao tapatapany

 
< Prev   Next >












 

 
 
 
 
 

 




Vous êtes le
10328455 visiteur
EDITION PRECEDENTE

   

Vous pouvez consulter nos archives en sélectionnant la date d'édition ci-dessus
 
CONSULTER LES ARTICLES DE L'ANCIEN SITE
   

Les éditions suivantes sont parues entre 01 août 2007 et 31 novembre 2007

© 2007. Midi Madagasikara. Tous droits reservés