Tags: Ambatobe

Omaly no naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay teratany karàna nahafaty olona tetsy Ambatobe, ny asabotsy lasa teo. Nofaohiny vao maraina tamin’ny fiara nentiny ilay tovovavy ary maty tsy tsa-drano. Nijanona teo amin’ny “vitesse” fahefatra ny fiara. Raha ny vaovao azo dia  miasa eo anivon’ny orinasa iray etsy Ankorondrano izy. Nandeha be ny feo fa…

Vao maraina dia efa nisavorovoro ny olona tetsy Ilafy-Ambatobe. Ny anton’izany dia ny nahitana fonosana iray tsy mitovy tamin’ireo rehetra izay nahitana baomba hatramin’izay. Nitangorona ny olona ary niantso mpitandro ny filaminana. Rehefa nozahan’ny manam-pahaizana dia korontana “fil” no tao anatiny , niaraka tamin’ny tavoahangy feno fotaka. Ankoatr’izay dia nisy “batterie” kely iray ihany koa…