Tags: Ambatondrazaka

Na dia eo ampovoan’ny tanàna aza no misy ny toerana famonoana omby eto amin’ny tanànan’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao dia sahin’ireo dahalo ny nangalatra ireo omby misa 10 tao. Araka ny fanazavana voaray dia misy ireo omby saika hamidy ny ampitso , misy ireo omby vao tonga, ka samy nanjavona avokoa. Omby roa somary efa reraka…

Zavatra tsy heverina ho inona amin’izao fotoana izao dia mampirehitra ny hatezeran’ny olona. Tsy hay tohaina izany rehefa mitraotra Ny sabotsy hariva tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany, fiara 4X4 iray no nandona mpandeha an-tongotra roa naira-dalana teny Ambohimarina Ambatondrazaka. Mafy ny dona, hoy ireo izay nahita. Vokany, maty teo no ho eo ny…

Saika miaina ao anatin’ny tebiteby  amin’izao fotoana izao ireo vahoaka ambanivolon’ny Didy. Mirongatra izay tsy izy mantsy ny fanafihana mitam-piadiana ataon’ireo jiolahy. Tamin’ny 18 febroary  teo dia mpivarotra iray no notafihan’ireo jiolahy ka lasa ny volabe manodidina ny 3 150 000 Ar  ,voatifitra ihany koa ilay rangahy tompontrano , maty tsy tra-drano. Noho ny ezaky ny zandary…

Tao anatin’ny vela-pandriky ny polisim-pirenena ireto andian’olona mpivarotra menaka rongony ka sarona avokoa izy ireo. Menaka rongony 20 litatra no heno fa haparitaka eto Ambatondrazaka. Tao anatin’ny 5 andro no nitsongoana dia ireo olona ireo, asa nataon’ny polisy Randrianambinina  Honorat (Rakom ). Saron’izy ireo tamin’izany ny menaka rongony 10 litatra mahery  ka vehivavy no atidoha…

Vaky ny barazy  amin’ny reniranon’i Namontana, eo akaikin’ny ny tanàna, vokatry ny tundra-drano  sy ny firotsaky ny orana tato ho ato, ka avy hatrany dia ny fokontanin’ny Betoloho mihitsy no nofahon’ity renirano ity. Tsy nisy lalan-kombana ny mponina satria tampoka ny fahatongavan’ny loza, ka maro ny zavatra simba sy lasan’ny rano, toy  ny biby fiompy,…

Fianakaviana iray izay misy olona efatra ao an-trano  no tratran’ny fanapoizinana ara-tsakafo ny talata faha 21 janoary 2014 teo.  Fotoana fisian’ireny zavamaniry atao hoe olatra ireny amin’izao fotoana izao ka maro ny manao laoka azy, satria laoka matsiro. Maro amin’izy ireny koa anefa no misy poizina sy tsy azo hanina. Nanao laoka olatra ity fianakaviana…

Omaly, nitangoronan’ny olona ireo mpitory teny  efatra nanambara fa “demony” hono, “Jesoa”. Teo amin’ny tsena any Ambatondrazaka no nisy izany. Efa intelo ireo olona ireo no nanao ny fampianarana hanaraka ny fivavahany teo an-tsena. Tamin’ny voalohany, efa nisy ny namelaka azy ireny tehamaina. Lazaina fa izany Yahoshuah izany no toriany, Baiboly no eny an-tanany. Omaly,…

Ambatondrazaka : Mitombo isa ny tsy ampy taona mivarotena

Vao maizina ny andro dia feno ankizy mijorojoro eny amin’ny manodidina ny tsena Tato anatin’ny volana vitsivitsy izay dia hita fa mitomba isa ireo ankizy vavy tsy ampy taona lasa mandeha mivarotena eny amin’ny sisin-dalana saika manerana ny disitirikan’Ambatondrazaka. Ny loharaom-baovao no nahafantarana fa etsy andaniny, mihamaro hatrany koa ireo vahiny tonga any an-toerana hividy…

« C’est trop !», ont laissé entendre les parents des 45 élèves qui auraient subit des punitions qui auraient été trop sévères, perpétrées par l’une des enseignantes d’une école publique sise à Ambatondrazaka, il y a quelques jours. Du coup, ces parents ont déposé plainte à son encontre, ce qui l’aurait amenée devant les juges. En effet,…

Tsy nanaiky ny fampijaliana natao tamin’ireto mpianatra tao amin’ny EPP Marianina Ambatondrazaka ny rayamandreny sy ny tompon’andraikitra ka nametraka fitarainana tany amin’ny foiben’ny mponina aty Ambatondrazaka, nampanantsoina ihany koa ny avy tao amin’ny DREN. Mpianatra miisa 45 ireto nampijalian’ny mpampianatra azy ireto , nasaina nadohalika ary novelesina tamin’ny hazo vaventy iray, naratra avokoa ny lohalik’ireto…