Tags: Ambohimalaza

Tamin’ny heriandro lasa teo, ny alakamisy, nisy fiara nitondra entana avy any Toamasina nisy nanafika teny Ambohimalaza tsy lavitra ny toerana fisavan’ny zandary. Araka ny fantatra, raha vao niala ireo mpitandro filaminana tokony ho tany amin’ny 8 ora tany ho any, no nisy nanakana ity fiara be ity. Lasan’ny mpangalatra avokoa ny zavatra tao anatiny.…

Omaly no hita teny amin’ny toerana fitsangantsanganan’ny olona eny amin’ny faritr’Ambohimalaza ny fiara taxi-be iray izay fantatra fa nentin’ny mpamily nandositra tamin’ny faha-31 desambra 2013. Tsy hita intsony ny kodiarana efatra sy ny “boîte de vitesse”. Rehefa azon’ilay mpangalatra izany dia nariany ilay vatana fiara. Hita niparitaka teny amin’ilay toerana ihany koa ny taratasy mikasika…