Tags: Andramena

Teo akaikin’ny Jovena Ambatomainty Manjakaray no nahitana bolabolan’ andramena miisa dimy, ny alakamisy 26 febroary lasa teo. Antso avy amin’ny laharana 119 tamin’ny olona teny amin’ny manodidina moa no nahazoana ny vaovao. nidina teny an-toerana avy hatrany ny tao amin’ny Zandarimaria misahana an’Antananarivo renivohitra ka nalefa teny amin’ny CIRGN ireo andramena ireo. Raha ny fahitana…

Bolabolanana « bois de rose” miisa hatrany amin’ny 250 indray no tratra tany amin’ny faritry Belo Sur Mer, any Melaky ny sabotsy lasa teo. Fanaraha-maso natao no nahitana izany. Ny loharaom-baovao no nahalalana fa efa tonga any an-toerana avokoa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny hizaha ny zava anisy. Omaly ihany dia efa nampidinina avy ao anatin’ilay sambo ireo…

Araka ny tatitra nataon’ny “Huissier de Justice” eto Sambava dia nalaina ramatoa  iray tompon’ andramena avy any Antalaha tamin’ny 24 janoary 2014 mba hanatanteraka ny didim-pitsarana N°493 nivoaka tamin’ny 04/06/2012. Nodidian’ny mpitsara ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Antalaha mantsy ny famoahana  ireo andramena  298 voalaza ao anatin’ny “grosse” ireo. Tao amin’ny tobin’ny miaramila BLIG…