Tags: Baomba

Teny Ambatolampy Tsimahafotsy, ny alatsinainy maraina, no niantso ny zandarimaria teny an-toerana ny Ben’ny tanàna fa nisy olona nahita fonosan-javatra mampiahiahy  tao anatin’ny trano iray fivarotana  anana, izay tsy misy varavarana. Nisahotaka ny iray tanàna mandra-pahatonga ny manam-pahaizana manokana amin’izany. Vao tonga ireto farany dia natao ifotony ny fizahana, tsy nety nipoaka anefa ilay izy…

Vao maraina dia efa nisavorovoro ny olona tetsy Ilafy-Ambatobe. Ny anton’izany dia ny nahitana fonosana iray tsy mitovy tamin’ireo rehetra izay nahitana baomba hatramin’izay. Nitangorona ny olona ary niantso mpitandro ny filaminana. Rehefa nozahan’ny manam-pahaizana dia korontana “fil” no tao anatiny , niaraka tamin’ny tavoahangy feno fotaka. Ankoatr’izay dia nisy “batterie” kely iray ihany koa…

Ny alakamisy 26 febroary efa tamin’ny fito ora hariva no naparitaky ny  EMMOREG tany Toamasina, teny amin’ny oniversité Barikadimy, ireto mpianatra nanao fitokonana vokatry ny fahatapahan’ny jiro. Nanao ny fitakiana izy ireo mba hamerenana izany haingana, satria io no lazain’izy ireo fa fototry ny fianarana ary fitaovana tena ilaina hianarana sy handrahoana ny sakafo, ary…

Soavimasoandro : Baomba hita tao amban’ny akalana mpivarotra anana

Tsy maintsy nampoaka ilay baomba ary dia nirefotra tokoa Ny alakamisy 27 febroary teo tokony tamin’ny enina ora maraina no nahitan-dRamatoa Paulette teo akaikin’ny fivarotany legioma izany. Efa mahazatra ity ramatoa mpivarotra ity ny maka ny entany vao maraina any Anosibe rehefa amin’ ny dimy ora maraina iny, avy eo moa izy dia miverina ary…

Manjakaray : Baomba hita teo am-bavahadin’ny FJKM

Miverina indray ny fametrahana ireny karazana baomba vita gasy ireny eto an-drenivohitra Omaly vao maraina be, vehivavy mpivarotra iray handeha hamoha tsena no nahamarika baoritra iray napetraka teo akaikin’ny vavahadin’ny FJKM Rasalama Maritiora Manjakaray. Tokony ho tamin’ny 5 ora latsaka tany ho any. Teo am-pamafana ny manodidina ny fivarotany izy no nahita io zavatra io.…

Manomboka izao dia hapoaka avokoa izay baomba hita mba ho fiarovana ny ain’ny olona sy ny mpitandro ny filaminana… Vao maraina ,ny mpandalo sy ny mpihazakazaka no nahatsikaritra zavatra nosarontsaronana tao anaty baoritra sy “sachet”. Rehefa nozahana dia baomba vita gasy indray no hita tao. Nisy finday niraikitra tamin’ilay baomba. Midika izany fa baomba azo…

Antanimena : Baomba sandoka nampisahotaka ny mponina

Tsy natao ambanin-javatra ny fahitana ilay sakaosy nampiahiahy. Omaly tokony ho tany amin’ny 11 ora tany ho any, nisahotaka ny teny Antanimena fa nisy sakaosy nampiahiahy teo amin’ny sisin-dalana ampitan’ny fivarotan-dasantsy Total. Ny voavao vaoray no nahalalana fa tamin’io maraina io, nisy olona nitondra moto naniraka ankizy iray hanatitra sakaosy ao amin-dry Masera. Nomeny vola…