Tsy mety mijanona ny halatra omby ataon’ny dahalo any amin’ny disitirikan’Ankavandra sy any Miandrivazo. Vosokajy ho faritra mena ireo toerana ireo raha ny asan-dahalo no tenenina. Tsy mikely soroka miady amin’izany ny Zandary any an-toerana, indrindra hatramin’ny nametrahana “Officier coordinateur”, ka misy ny vokatra azo. Ny 11 avril 2014 dia malaso 12 lahy mirongo barim-borona…
Tags: basy
Fasan’ny karana : Mpivarotra basy antsokosoko tratra
Ny sabotsy 12 avril teo no tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny Boriboritany Fahadimy Mahamasina ny mpividy sy mpivarotra basy antsokosoko. Mbola tratra niaraka tamin’ny basy PA vita gasy miisa roa miaraka amin’ny bala folo sy Basy Revolver iray miaraka amin’ny bala efatra. R Justin moa no anaran’ity lehilahy tratra ity ary 31 taona izy.…
Tapatapany
# – Arivonimamo. Potiky ny bala ny tananan’ilay lehilahy. Andian-jiolahy voalaza fa miisa hatrany amin’ny 20 no nanafika trano roa tany Manalalondo, any Arivonimamo, afak’omaly. Fivarotana ny iray tamin’ireo voatafika. Niditra nanao amboletra ireo mpangalatra. Nanapoaka basy izy ireo tamin’izay fotoana izay. Niantefan’ny bala ny raim-pianakaviana iray ary voa teo amin’ny sandriny, izay voalza fa…
Antohomadinika : Roalahy notifirin’ny jiolahy tamin’ny basy
Vao maraina, vao mangidran-dratsy akory aza, dia efa nirefotra ny basy tetsy Antohomadinika. Nandritra ny fanafihana toeram-panaovana sy fivarotana mofo no nitrangan’ity asan-jiolahy ity. Tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany no niditra tampoka tao anatin’ilay toerana ny efa-dahy mirongo kalachnikov. Ny iray niandry taty ivelany raha niditra tao anatiny ny telo hafa ka nandrahona tamin’ny…
Andilamena : Jiolahy nanao hala-botry
Ny alarobia lasa teo tany ho any amin’ny sivy ora alina tany no nanafika tanana tao Ambohitradala-Andilamena ireto jiolahy miisa efatra izay mirongo fiadiana toy ny basim-borona sy basy vita gasy. Tokantrano iray no lasibatra tamin’izany ka raha vao niditra ny tokonam-baravarana ry zalahy dia tonga dia nanapoaka basy indroa, tsy nisy nahahetsika ny tao…
Tsiroanomandidy : Dahalo telo nanafika, iray matin’ny fitsaram-bahoaka
Ny 8 avril tolok’andro teo no nisehoan’izany, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Morafeno notafihan’ireto dahalo telo lahy mirongo basim-borona avy hatrany teny an-tanety ireto omby miraoka vilona.Tsy nahatohitra ireto tompon’omby fa be noho vitsy, ka dia aleo nilavo lefona sady tanam-polo rahateo manoloana ny basy. Omby telopolo no lasibatra tamin’izany ary mbola nalain’ireto mpangalatra ihany…
Andavamamba : Pasitera voatafika, lasa ny vola sy entana maro
Ny alin’ny talata hifoha alarobia, notafihan’ny sasany ny tranona pasitera iray teny amin’ny faritra Andavamamba. Ny vaovoa no nahalalana fa telo ny isan’ireo mpanafika. Tsy nahare velively ny nidiran’ireo olon-dratsy ilay mpitandrina sy ny vadiny. Izy ireo irery no tao an-trano tamin’io alina io. Efa tafiditra ireo jiolahy vao samy taitra. Ny loharaom-baovao hatrany no…
Toliara : Roa lahy nanafika mpiantsena, olana iray maty
Tany Andranovory Toliara, ny alarobia lasa teo tany ho any amin’ny telo ora hariva, no nisy ireto dahalo roa nanao fanamiana miaramila nitondra Kalachnikov,nanakana ity mazda iray nitondra mpiantsena. Avy namonjy tsena tany Vineta moa ireto olona ireto no tojo ny fanafihana. Iny nandeha moramora hijanona iny tokoa mantsy ny fiara no avy hatrany dia…
Fanafihana ny Accès Banque sy ny perception Analamahitsy : Jiolahy 11 tratra niaraka tamina basy 3 sy bala
Ravan’ny mpitandro filaminana ny andian-jiolahy nampihorohoro teto an-drenivohitra nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny Ankadilalana ny mpitandro filaminana miandraikitra ny famotorana momba ireo fanafihan-jiolahy niseho teto an-drenivohitra herinandro maromaro lasa izay. Nahazo vaovao izy ireo fa misy olona mipetraka eny Antanandrano mampiahiahy. Nandeha teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny…
Solo Paingotra : Vao nivoaka teny Tsiafahy dia nandroba indray !
Vonoan’olona, fanafihana mitam-basy. Roa taona taty aoriana, avy eny Tsiafahy, dia efa iny indray ity jiolahy ity fa niverina amin’ny asaratsiny… Anarana efa tsy zoviana amin’ny faritr’Itaosy sy Ambohidrapeto iny I Solo Paingotra. Ny antony dia efa betsaka ny nahita faisana tamin’ny asaratsy nataony. Tao no voatifitra, ny voatsatoka antsy, ny voaroba trano. Isan’izay ilay…