Tags: basy

Ny alin’ny talata tamin’ny 9 ora, mpivarotra iray eny amin’ny faritra Ambatomaro no notafihana jiolahy miisa dimy nirongo basy. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa vao avy nanidy tsena tsy ela ny tompony. Avy hatrany dia nopitsohan’ireo mpangalatra ny varavarana ary teo izy ireo no niditra. Rehefa tao an-trano ry zalahy dia voaambana basy ny rehetra…

Pôlisy : Basy 197 sarona tamin’ny 2013

Voamarina tanteraka ny fiparitahan’ny basy teto amin’ny Nosy. Izany dia manazava ihany koa ny fisesin’ny asan-jiolahy mitam-basy nandritra iny taona 2013 iny, indrindra fa teto an-drenivohitra. Raha ny tarehimarika navoakan’ny pôlisy dia nahatratra 197 ny basy saron’izy ireo tamin’ny taon-dasa. Izany dia niaraka tamin’ny bala  94.568 , raha araka ny fanamarihana hatrany. Basim-borona no tena…

Talatamaty: Basy Baïkal 99 sy bala anarivony tratra tao amina Karana

Teny amin’ny Fasan’ny Karana no nahitana ity karazana basy ity ary rehefa natao ny famotorana dia tonga hatreny Imerina Afovoany Nahitana vokany ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny famefena ny fitobahan’ny fitaovam-piadiana eto amintsika amin’izao fotoana izao. Basy Baïkal miisa hatrany amin’ny 99  miaraka amina bala anarivony no tratra teny Imerianafovoany tamin’ny alatsinainy lasa teo.…

Notafihan’ny jiolahy nirongo basy ny ben’ny tanànan’Ampanihy (Mahabo – Morondava) ny volana jona lasa teo. Niisa valo ireo mpanafika ary nandroba vola, firavaka sarobidy ary ny basin’ity ben’ny tanàna ity. Nisy olona roalahy noahiahian’ny mponina ho tafiditra tamin’io fanafihana io satria nampiahiahy ny maro ny fihetsiny. Taorian’izay dia nandositra avy hatrany tany Morondava ireo olona…

Fifampitifirana teny Antanimora : Basin’ny Gal Ramananarivo no nentin’ireo jiolahy

Mbola mitohy ny fikarohana ireo jiolahy tafatsoaka. “Rehefa natao ny fanamarinana rehetra dia fantatra fa anisan’ireo basy very tao amin’ny tranon’ny Jeneraly Ramananarivo teny Andohan’i Mandroseza ny nentin’ireo jiolahy saika hanao fakana an-keriny ary nifampitifitra tamin’ny mpitandro filaminana teny Antanimora tamin’ny sabotsy teo iny”, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra ambony avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena omaly. Tamin’ny…

Nahitana vokany ny hetsika nataon’ny mpitandro filaminana avy ao Andohoranofotsy. Voasambotr’izy ireo ny jiolahy  efatra fantatra fa mpanao fanafihana amin’ny faritra maro. Tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo dia voalazan’ny vaovao fa vao avy nanafika tany Faratsiho izy ireo. Sendra ny tsy nampoiziny anefa ka izao tra-tehaka izao izy ireo. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa…