Tags: Ben’ny tanàna

Notafihan’ny jiolahy nirongo basy ny ben’ny tanànan’Ampanihy (Mahabo – Morondava) ny volana jona lasa teo. Niisa valo ireo mpanafika ary nandroba vola, firavaka sarobidy ary ny basin’ity ben’ny tanàna ity. Nisy olona roalahy noahiahian’ny mponina ho tafiditra tamin’io fanafihana io satria nampiahiahy ny maro ny fihetsiny. Taorian’izay dia nandositra avy hatrany tany Morondava ireo olona…