Tags: Beroroha

Raim-pianakaviana iray tantsaha mpamboly any amin’ny kaominina Mandrosonoro, distrikan’Ambatofinandrahana no maty tampoka niakarapoka ny 7 aprily teo. Ripaky ny andiam-balala ny voliny rehetra. Teo am-pandroahana ireo andiam-balala no sempotra tampoka tsy afa-niaina noho ny hakiviana ity rangahy ity, dia niakarapoka tampoka ary maty tsy tra-drano. Kaominina maro any Ambatofinandrahana no rakotra valala amin’izao fotoanan’ny fiakaran’ny…

Mihabiby ny olona amin’izao ka tsy mifandefitra intsony na dia samy mpihavana izao aza. Ny asabotsy hariva teo dia mpirahavavy niady lova no nifampitetika tamin’ny antsy tany Beroroha. Nandriaka ny rà. Tsy nananany antra fa avy hatrany dia notetitetehany tamin’ilay zavamaranitra ny rahavaviny,  maty tsy tra-drano vokatr’izany. Niatomboka tamin’ny fifamaliana momba ity ady lova ity…