Tags: Dahalo

Tsy mety mijanona ny halatra omby ataon’ny dahalo any amin’ny disitirikan’Ankavandra sy any Miandrivazo. Vosokajy ho faritra mena ireo toerana ireo raha ny asan-dahalo no tenenina. Tsy mikely soroka miady amin’izany ny Zandary any an-toerana, indrindra hatramin’ny nametrahana “Officier coordinateur”, ka misy ny vokatra azo. Ny 11 avril 2014 dia malaso 12 lahy mirongo barim-borona…

Na dia eo ampovoan’ny tanàna aza no misy ny toerana famonoana omby eto amin’ny tanànan’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao dia sahin’ireo dahalo ny nangalatra ireo omby misa 10 tao. Araka ny fanazavana voaray dia misy ireo omby saika hamidy ny ampitso , misy ireo omby vao tonga, ka samy nanjavona avokoa. Omby roa somary efa reraka…

Mirongatra toa tsy misy fanafany ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo isak’alina any amin’ny kaominina Ankililoaka, distrikan’i Toliara II amin’izao, ka miaina ao anaty horohoro tanteraka ny mponina na dia manao izay ho afany amin’ny ady amin’ireo mpanao ratsy ny mpitandro filaminana any an-toerana. Omaly dia tokantrano telo samihafa no indray voatafika. Rangahy iray no maty…

Ny 8 avril tolok’andro teo no nisehoan’izany, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Morafeno  notafihan’ireto  dahalo telo lahy mirongo basim-borona  avy hatrany  teny an-tanety ireto omby miraoka vilona.Tsy nahatohitra ireto tompon’omby fa be noho vitsy, ka dia aleo nilavo lefona sady tanam-polo rahateo manoloana ny basy. Omby telopolo no lasibatra tamin’izany ary mbola nalain’ireto mpangalatra ihany…

Nihetraketraka indray ireo malaso nanafika tao Behara, distrikan’Amboasary Atsimo ny fiandohan’ity herinandro ity. Tsy vitan’ny nangalatra omby tao an-tanàna ireo dahalo fa nandatsaka ain’olona tsy manan-tsiny. Vehivavy roa no maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo, rehefa avy noviravirain’izy ireo teo imason’ny fokonolona tsy afa-nanoatra. Anisan’ny mampirongatra ny asa ratsy samihafa any amin’ity renivohitry ny asan-dahalo sy…

Ny sabotsy teo no nilatsaka tao amin’ny tanàna iray tao Sahanivotry ireto dahalo miisa 20 lahy, omby miisa 48 no lasibatra tamin’izany. Haingana tokoa ny fifandrombonan’ny fokonolona sy ny zandary tao antoerana ka tsy lasa lavitra ireto olon-dratsy dia tratran’ireto mpanara-dia,raikitra ny fifanjevoana ka tsy naharesy tosika ireto mpanara-dia ny dahalo ka lasa nitsoaka nandositra,ny…

Saika isan’andro tsy maintsy ahenoana asan-dahalo arahina vono olona foana any amin’ny distrikan’i Manja, faritra Menabe. Ny marainan’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny dimy ora, malaso 77, ny 40 amin’ireo nirongo basim-borona, no nanafika tao amin’ny fokontany Sambalahy, kaominina ambanivohitra Anosibe-centre, 25 km miala ny tampon-tanàna’i Manja. Omby 350 no very. Taorian’ny fanafihana dia nanao…

Nirefodrefotra indray ny basy tany Ambatofinandrahana ny alatsinainy teo. Vokatry ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo andian-dahalo nirongo basy saika hanafika tao Fenoarivo dia malaso iray nikoizana nampitondra faisana an’iny faritra iny no maty voatifitry ny zandary, na dia noezahina notsaboina teny amin’ny hopitaly aza, noho ny ratra mafy nahazo azy teo amin’ny…