Tags: Dahalo

Tao amin’ny tokantrano iray, ny alin’ny faha-22 febroary lasa teo, no nisehoana fanafihana mitam-boadiana tao an-tampon-tanànan’Antalaha. Olona iray no maty tamin’ny fitifiranana nataon’ireto jiolahy ireto ary lasan’izy ireo koa ny lelavola mitentina 380 tapitrisa ariary. Nandositra ireo nahavanon-doza avy teo. Raha naheno ny vaovao ny zandary teto Sambava, fa nandositra any Antalaha izy ireo, dia…

Ny asabotsy  alina teo  no nanafika tanàna iray tao Alakamisikely ireto jiolahy telo, niantso vonjy ny tao an-tanàna ka vetivety dia vory ny fokonolona, kibay sy antsibe ary vato moa ny teny an-tànan’izy telo lahy ireto, ka tsy nampihemotra ireto fokonolona ny fanoherana azy, avy hatrany dia raikitra ny fifanjevoana ka azo sambo-belona tamin’izany ny…

Mbola mandravarava ny dahalo any Atsimo. Ny herinandro lasa teo iny, dia telo lahy niandry omby teny an-tsaha notafihan’ny malaso, ka maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra variraraka ny roa. Niezaka nitsoaka ilay tovolahy fahatelo nefa azon’ireo olon-dratsy sambo-belona ka nataon’izy ireo takalonaina. Omby 72 voaroba tamin’ity fanafihana tany Betioky Atsimo ity. Niroso tamin’ny fanarahan-dia…

Lehilahy iray tokony ho eo amin’ny 16 taona eo no namoy ny ainy noho ny asan-dahalo. Raha araka ny fanazavan’ny zandary ao Ambalavao dia mpianatry ny lycée iray ao an-toerana izy. Mbola tsy ampy taona ary ao amin’ny kilasy faharoa (seconde), raha ny tohin’ny fanazavana. Nentanin’ny namany hafa izy mba hiaraka aminy hanao fanafihana. Dia…

Ny alatsinainy 18 febroary teo, tokony tamin’ ny sivy ora sy sasany maraina no tonga nanafika ny tanàn’ Ankazondrano ny dahalo folo lahy. Basim-borona sy kibay ary antsy no teny antanàn’ izy ireo tamin’ izany ; tonga dia niditra ankeriny tao an-tanàna izy iero ka nanambana avy hatrany izay sendra azy tsy hiantso vonjy na hikiakiaka,…

Nisy zandary mpandamina fifamoivoizana , misava sy manara-maso ireo fiara mivezivezy amin’ny lalam-pirenena faha 6 iny, ny marainan’ ny 10 febroary teo tokotokony ho tamin’ ny 9 ora sy sasany teo ho eo. Nandalo teo amin-dry zalahy ireto dahalo ka nanao dia maika sy kaodikaody. Avy hatrany koa moa dia mahana ireto zandary ka nampijanona…

Voasambotry ny zandary ary natolotra ny fitsarana ny alatsinainy teo, ary mifonja vonjimaika amin’izao, ny dahalo dimy nanao fanamiana miaramila nirongo fitaovam-piadiana maherivaika nanafika tokantrano iray tao amin’ny kaominina Vohitrarivo, distrikan’Ambohimahasoa, ny asabotsy lasa teo. Tamin’ity fanafihana ity dia basim-borona iray sy bala miisa roa no lasan’ireo jiolahy. Tampoka tamin’ny niharan’ny fanafihana ny fahatongavan’ireo malaso…

Manoloana ny firongatry ny tsy fisian’ ny fandriampahalemana mampihorohoro tanteraka ny mponina ka iainan’izy ireo ao anaty tebiteby andro aman’ alina any amin’ny kaominina Bezaha, distrikan’i Betioky Atsimo sy ny manodidina, satria miseho lany ny fanaovan’ ireo dahalo takalonaina izay tsy mionona intsony amin’ny fandrobana fananana. Itakian’ny olon-dratsy vola an- tapitrisa ny sandan’ ny famotsorana…

Tous les sièges au niveau des 6 arrondissements d’Antananarivo ont été raflés par le MAPAR et la mouvance Ravalo tandis que les candidats indépendants ont brillé dans les régions. La cérémonie de proclamation des résultats provisoires des élections législatives qui s’est déroulée hier, au siège de la Commission électorale Nationale Indépendante de la Transition à…

Nisehoana fanafihan-dahalo tao amin’ny tanana antsoina hoe Ankazomanefa  atsimokelin’ny tanan’Ankazomiriotra ny faraparan’ny volana desambra lasa teo. Voalaza araky ny loharanom-baovao maripotitra avy any an-toerana fa folo lahy mirongo fiadiana mahery vaika ireo dahalo. Tsy miova ny fisehon’ny fanafihana fa toy ireo fandre matetika . Poa basy avy hatrany no re vantany vao tafiditra ny tanana…