Tags: Faits-Divers : 67 ha; GIR; pôlisy

67 ha : Raikitra ny sakoroka, nitifitra ny GIR

Tao anaty toeram-pisotroana no raikitra ny fifamaliana teo anivon’ny andian’olona roa karazana. Niakatra ny toaka, niakatra ihany koa ny hafanana ary ny niafarany dia tonga hatramin’ny fifampitorahan-tseza sy ny fifampikasihan-tànana. Tsy voafehin’ny olon-tsotra mihitsy izany satria vatan-dehilahy marobe no indray niditra an-tsehatra tao anatiny. Nisy nampandre ny pôlisy ary ireo avy amin’ny hery vonjy taitra…