Tags: Fanafihana

Vao tsy maizina akory ny andro dia efa raikitra ny fanafihana mitam-basy tao Toamasina, tao amin’ny Cité Haras Parisela. Efa-dahy nisaron-tava ary mitam-basy no nanafika teratany vahiny  Sri-Lankais iray, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva. Volabe no lasa,  saingy tsy mbola voamarika aloha hoe ohatrinona. Mpandraharaha ilay vahiny ary vola niditra taminy teo amin’ny tapa-bolana…

Saika miaina ao anatin’ny tebiteby  amin’izao fotoana izao ireo vahoaka ambanivolon’ny Didy. Mirongatra izay tsy izy mantsy ny fanafihana mitam-piadiana ataon’ireo jiolahy. Tamin’ny 18 febroary  teo dia mpivarotra iray no notafihan’ireo jiolahy ka lasa ny volabe manodidina ny 3 150 000 Ar  ,voatifitra ihany koa ilay rangahy tompontrano , maty tsy tra-drano. Noho ny ezaky ny zandary…

Nirefodrefotra ny basy saingy tsy nahitàna taim-bala na ny iray aza. Nazava avy hatrany teo fa basy fanairana na “pistolet d’alarme” no nampiasain’ireo olon-dratsy. Midika avy hatrany izany fa nentina nampitahorana ireo mpivarotra efatra karazana fotsiny ireo fitaovana, fitaovam-piadiana fanairana na koa fampiasa amin’ny fampahafantarana fanombohana amin’ireny fifaninanana hazakazaka ireny. Toe-javatra izay mateti-pitranga ihany izany…

Toerana telo samihafa no nandalovan’ny jiolahy mitam-piadiana ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Tetsy Isotry ny voalohany. Efa tafiditra tao an-trano ireo olon-dratsy saingy mba hitan’ny manodidina izay nampandre ny pôlisy avy hatrany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana izay nanapoaka basy. Izany no nampihemotra ireo olon-dratsy ka nahatonga azy ireo hitsoaka. Finday iray…

Nahitana vokany ny hetsika nataon’ny mpitandro filaminana avy ao Andohoranofotsy. Voasambotr’izy ireo ny jiolahy  efatra fantatra fa mpanao fanafihana amin’ny faritra maro. Tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo dia voalazan’ny vaovao fa vao avy nanafika tany Faratsiho izy ireo. Sendra ny tsy nampoiziny anefa ka izao tra-tehaka izao izy ireo. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa…

Fanafihana tetsy Anosibe : Lehilahy iray voatifitra teo amin’ny lohany

Misaron-tava ary mitondra basy ny iray tamin’ireo jiolahy. Olona iray voatifitra teo amin’ny lohany ary vola 8 tapitrisa, finday, ordinateur portable sy fitaovana lafovidy maro samihafa voaroba. Io no vokatry ny fanafihana mitam-piadiana nitranga tetsy Anosibe, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo. Voalaza fa tokony ho tamin’ny misasakalina mahery kely tany ho any no niditra…

Vola saika hanefana ny karaman’ny mpiasa no lasan’ny jiolahy mitam-basy. Efa-dahy izy ireo no tompon’andraikitra tamin’izany raha araka ny vaovao azo tany an-toerana. Orinasa misahana fiambenana izay ao Tanamakoa no misy ny biraony ity lasibatra ity, ny zoma tokony ho tamin’ny sivy ora latsaka. Teo am-bavahadin’ny fiasana mihitsy no nandrasan’ireo olon-dratsy ilay olona nitondra ny…

# Iavoloha, fanafihana tsy tontosa. Tonga ara-potoana ny mpitandro ny filaminana rehefa nantsoin’ny mponina  ao amin’ny tompon’ny trano iray izay saika hotafihan’ny jiolahy, ny alin’ny asabotsy hifoha alahady teo. Efa nopoirin’ireo olon-dratsy ny varavarana no tonga ireo mpitandro ny filaminana. Rifatra nitsoaka ary tsy nisy azo. # Faratsiho, mpitoto vary voatafika. Telo lahy mitam-basy no…