Tags: Fiara

Naharay vaovao ny polisy avy misahana ny heloka be vava fa misy fiara iray R 21 teny amin’ny manodidina an’Imamba. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia tombanana fa nampiasaina tamin’ny fakana an-keriny karàna ity fiara ity ary rehefa vita izay nilana azy dia napetraka teny amin’io toerana io. Mitohy hatrany araka izany ny famotorana ataon’ireo misahana…

Nitohana ny làlana teny amin’ny lalam-pirenena fahafito omaly. Tokony ho tany amin’ny 10 ora tany ho any, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Andoavato Tanjombato. Vokany, zaza kely, lahy, vao 5 taona no namoy ny ainy. Ny vaovao no nahalalana fa niaraka niantsena tamin’ny zokiny ity zaza ity io maraina io. Raha mbola variana anefa ilay zokiny,…

Tonga teo amin’ny Magro ny fiaran’ny Emmo-Sécurité omaly ary nanao fisavana ireo fiara izay nolazain’ireo fa mampiahiahy. Raha araka ny fanazavana azo dia nisy vaovao azon’izy ireo momba ny fisian’ny fiara iray izay nitondra fitaovam-piadiana. Tsy nahitam-bokany izany ary tetsy andanin’izay dia toa niteraka fahasorenana ho an’ireo olon’ny Magro ny zavanitranga. Nisy olona iray voasambotra…

Na dia mitandrina mafy aza ny mpamily, tery loatra ny làlana ary maro ny olona ka dia tsy azo nosorohana ny loza Nisehoana lozam-pifamoivoizana, omaly teny Behoririka amin’ny làlana avy any Soarano iny. Lehilahy iray tokony ho eo amin’ny 28 taona no fantatra fa maty voadonan’ny fiara. Ny loharanom-baovao no nahalalàna fa toa tsy hitan’ilay…

Ny voalohan’ny volana janoary,tokony ho tamin’ny 3 ora maraina no nitrangana lozam-pifamoivoizana tetsy Ambohimanarina. Fiara Renault 4, nizotra ho aty An-drenivohitra no nifandona tamina fiara Renault 11 izay ho any Ambohidratrimo. Vokatry ny fifandonana mafy dia nirehitra tanteraka ilay fiara R.11, fa ilay 4L kosa ny tapaky ny lohany ihany no may. Olona mipetraka ao…