Tags: Grenady

Ravan’ny mpitandro filaminana ny andian-jiolahy nampihorohoro teto an-drenivohitra nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny Ankadilalana ny mpitandro filaminana miandraikitra ny famotorana momba ireo fanafihan-jiolahy niseho teto an-drenivohitra herinandro maromaro lasa izay. Nahazo vaovao izy ireo fa misy olona mipetraka eny Antanandrano mampiahiahy. Nandeha teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny…

Fanafihana Antanimena : Olona efatra avy niandry faty nosamborina

Petara fa tsy grenady ilay nampiasain’ny jiolahy nandeha môtô ka nampisahotaka ny mpitandro filaminana. Ratsy fivoahana izy ireo, satria sendran’ny toe-javatra mbola nifamahofaho be ary mbola nafana be ny fitadiavan’ny pôlisy ireo jiolahy tetsy Antanimena, fotoana fohy taorian’ny fanafihana ilay toeram-pisakafoanana teo an-toerana. Vao avy niandry faty izy ireo ka handeha hamonjy tokantrano no nifanena…

Vontom-pahoriana tokoa ny rain’izy roa lahy niresaka tamin’ny mpanao gazety. Araka ny efa nitaterana azy tamin’ny gazety dia namoy ny ainy ihany koa ny zokin’i Kevin antsoina hoe Andry. Samy nipoahan’ny grenady teny Anosikely izy roalahy ireo sy ny anabaviny iray tamin’ny sabotsy. Ilay zandriny moa maty teo no ho eo ary efa vita ny…

Tsy ela ny fanangonam-baovaon’ny mpanao fanadihadiana, mahakasika ilay raharaha grenady. Raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana dia efa misy ny ahiahiana : « olona maromaro izy ireo no ao anatiny ary nandeha fiara tsy mataho-dàlana miisa efatra tamin’iny andro nitrangan’ny fampihorohoroana teny Anosy iny. » Niditra tao amin’ny hotely iray eny Itaosy ary nivory tao, raha…

Mitovy marika avokoa ireo grenady nampiasaina tamin’ny asa fampihorohoroana. Vita rosiana izy ireo ary tsy dia misy mifanalavitra ny laharana hita taminy na ny « lotissement ». Nanamafy ny lehiben’ny zandary eto Analamanga, fa tambajotra iray ihany no ao ambadiky ny fanapoahana grenady. Ny olona eo anivon’io no tompon’andraikitra tamin’ny fanipazana io fitaovam-piadiana io tetsy amin’ny fivarotan-tsolika…