Tags: Jiolahy

Valizy diplomatika no lasan’ny olon-dratsy. Antontan-taratasy maro momba ny asa no tao anatiny, raha araka ny fantatra. Voatery nentina teny amin’ny hopitaly ny naratra. Tokony ho tamin’ny valo ora alina teo, afak’omaly, no nisy nanendaka ny lehilahy iray, teratany frantsay, izay miasa eo anivon’ny masoivoho frantsay. Nisy roalahy nanaraka izy ary rehefa dify tetsy ambanimbany,…

Na dia eo ampovoan’ny tanàna aza no misy ny toerana famonoana omby eto amin’ny tanànan’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao dia sahin’ireo dahalo ny nangalatra ireo omby misa 10 tao. Araka ny fanazavana voaray dia misy ireo omby saika hamidy ny ampitso , misy ireo omby vao tonga, ka samy nanjavona avokoa. Omby roa somary efa reraka…

Vao maraina, vao mangidran-dratsy akory aza, dia efa nirefotra ny basy tetsy Antohomadinika. Nandritra ny fanafihana toeram-panaovana sy fivarotana mofo no nitrangan’ity asan-jiolahy ity. Tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany no niditra tampoka tao anatin’ilay toerana ny efa-dahy mirongo kalachnikov. Ny iray niandry taty ivelany raha niditra tao anatiny ny telo hafa ka nandrahona tamin’ny…

Ny alarobia lasa teo tany ho any amin’ny sivy ora alina tany no nanafika tanana tao Ambohitradala-Andilamena ireto jiolahy miisa efatra izay mirongo fiadiana toy ny basim-borona sy basy vita gasy. Tokantrano iray no lasibatra tamin’izany ka raha vao niditra ny tokonam-baravarana ry zalahy dia tonga dia nanapoaka basy indroa, tsy nisy nahahetsika ny tao…

Ny alin’ny talata hifoha alarobia, notafihan’ny sasany ny tranona pasitera iray teny amin’ny faritra Andavamamba. Ny vaovoa no nahalalana fa telo ny isan’ireo mpanafika. Tsy nahare velively ny nidiran’ireo olon-dratsy ilay mpitandrina sy ny vadiny. Izy ireo irery no tao an-trano tamin’io alina io. Efa tafiditra ireo jiolahy vao samy taitra. Ny loharaom-baovao hatrany no…

Tany Andranovory Toliara, ny alarobia lasa teo tany ho any amin’ny telo ora hariva, no nisy ireto dahalo roa nanao fanamiana miaramila nitondra Kalachnikov,nanakana ity mazda iray nitondra mpiantsena. Avy namonjy tsena tany Vineta moa ireto olona ireto no tojo ny fanafihana. Iny nandeha moramora hijanona iny tokoa mantsy ny fiara no avy hatrany dia…

Jiolahy telo lahy indray no saron’ny polisim-pirenena teto Antsirabe ny 5 aprily lasa teo. Volaza fa jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana izy telo lahy ireto anisan’ireo nampihorohoro ny mponina teny Andrefatsena, Atsinanantsena ary Ambohimena, saingy tsy tratra niaraka taminy kosa ireo fitaovam-piadiana fampiasany. Entana maro be toy ny fahitalavitra, bisikileta, solovolo sy fanamiana miaramila sns ……

Ravan’ny mpitandro filaminana ny andian-jiolahy nampihorohoro teto an-drenivohitra nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny Ankadilalana ny mpitandro filaminana miandraikitra ny famotorana momba ireo fanafihan-jiolahy niseho teto an-drenivohitra herinandro maromaro lasa izay. Nahazo vaovao izy ireo fa misy olona mipetraka eny Antanandrano mampiahiahy. Nandeha teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny…

Naharay vaovao ny polisy avy misahana ny heloka be vava fa misy fiara iray R 21 teny amin’ny manodidina an’Imamba. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia tombanana fa nampiasaina tamin’ny fakana an-keriny karàna ity fiara ity ary rehefa vita izay nilana azy dia napetraka teny amin’io toerana io. Mitohy hatrany araka izany ny famotorana ataon’ireo misahana…

Saron’ny pôlisin’ny BC i Rolland, isan’ireo jiolahy nanafika ny “perception principale” etsy Analamahitsy. Mbola niaraka tamin’ny basy P.A sy bala miisa 14 io olon-dratsy io, raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny sampandraharahan’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava, ny Komisera Rakotondrasoa Jean de Matha. Io farany ihany no nanazava fa mbola misy jiolahy roa hafa…