Tags: Jiolahy

Omaly no nankalazaina ny fetin’ny faha-45 taona nitondran’ny Malagasy ny zandarimariam-pirenena. Ny kolonely Richard Ratsimandrava no Malagasy lehibeny voalohany, raha araka ny tantara. Ankoatra ny kabary nifanesy izay nifandimbiasan’ny manam-pahefana, isan’izany ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, dia nisy ihany koa ny fampisehoana fahaiza-manao nataon’ny zandary manam-pahaizana manokana amin’ny fidirana an-tsehatra momba ny ady amin’ny jiolahy. Nahaliana ny…

Ny alin’ny talata teo no navotsotr’ireo mpaka an-keriny ilay karàna nisy naka an-keriny tetsy Ivandry. Tsy mbola fantatra ny vola nalain’izy ireo satria tsy nisy fitoriana nipetraka teny amin’ny mpitandro ny filaminana. Notazomin’ny fianakaviana ho tsiambaratelo ho azy ireo izany ny momba iny fakàna an-keriny iny, toe-javatra izay mahazatra ihany. Ny antony dia rahonan’ny jiolahy…

Vonoan’olona, fanafihana mitam-basy. Roa taona taty aoriana, avy eny Tsiafahy, dia efa iny indray ity jiolahy ity fa niverina amin’ny asaratsiny… Anarana efa tsy zoviana amin’ny faritr’Itaosy sy Ambohidrapeto iny I Solo Paingotra. Ny antony dia efa betsaka ny nahita faisana tamin’ny asaratsy nataony. Tao no voatifitra, ny voatsatoka antsy, ny voaroba trano. Isan’izay ilay…

Mirongatra ny halatr’omby eto Antsirabe, lasibatry ny asan-jiolahy ireo fokontany amin’ny ilany antsinanana iny. Omby vavy be ronona iray no lasan’ny dahalo tamin’ny herinandro lasa teo, tao amin’ny fontany Mahatsinjo Antsirabe I.Tsy  nisy nahare ny nangalan’ireo olon-dratsy ny omby tao am-bala ny tompon-trano fa ny maraina andeha hitery ronono vao nahatsikaritra fa tsy tao intsony…

Jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana miisa dimy indray no saron’ny polisy ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Tato ho ato dia saika ahitam-bokatra hatrany ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana eto Antsirabe. Tra-tehaky ny polisy manao fisafoana amin’ny alina mantsy ny jiolahy telo lahy tao Andranomafana. Nanaitra ny polisy manao fisafoana ny fihetsik’izy telo ireto  fa…

Analamahitsy : Fahatratrarana  basy sy bala ary fitaovana maromaro hoentina manafika

Arifomba tokoa ny fitaovana entin’ireo jiolahy manafika Teny Analamahitsy, ny sabotsy  lasa teo, no tratehaky ny zandary teny Analamahitsy Marais-Masay ny andian-jiolahy mitam-basy. Enina izy ireo no fantatra fa  ao anin’ity tarika mpanao ratsy ity, araka ny loharanom-baovao. Jiolahy efatra no voasambotra fa ny roa kosa tafatsoaka. Vaovao azo avy amin’ny fitsongona dia tetsy sy…

Tao amin’ny tokantrano iray, ny alin’ny faha-22 febroary lasa teo, no nisehoana fanafihana mitam-boadiana tao an-tampon-tanànan’Antalaha. Olona iray no maty tamin’ny fitifiranana nataon’ireto jiolahy ireto ary lasan’izy ireo koa ny lelavola mitentina 380 tapitrisa ariary. Nandositra ireo nahavanon-doza avy teo. Raha naheno ny vaovao ny zandary teto Sambava, fa nandositra any Antalaha izy ireo, dia…

#  Ankadifotsy. Lasan’ny jiolahy ny vola. Tamin’ny alatsinainy hariva tokony ho tamin’ny 7 ora, notafihan’ny jiolahy ny mpivarotra iray teny Ankadifotsy. Nitondra basy kalaky izy ireo. Tsy nahetsika ilay mpivarotra ary dia voatery nanome azy ny vola iray hetsy ariary. #  Mandritsara. Vehivavy roa namonotena.  Noho ny fahadisoam-panantenana teo amin’ny lafiny fitiavana dia fantatra fa…

Jiolahy anisan’ny tena nampitondra faisana ny any amin’iny faritra avaratry ny nosy iny, indrindra ny tao Nosy Be, no fantatra fa maty voatifitry ny zandary, omaly tany an-toerena. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa na dia efa izao voasambotra izao aza izy ireo dia nikasa handositra. Nanao fampitandremena ny mpitandro filaminana nefa tsy nijanona ry zalahy.…

Mbola mandravarava ny dahalo any Atsimo. Ny herinandro lasa teo iny, dia telo lahy niandry omby teny an-tsaha notafihan’ny malaso, ka maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra variraraka ny roa. Niezaka nitsoaka ilay tovolahy fahatelo nefa azon’ireo olon-dratsy sambo-belona ka nataon’izy ireo takalonaina. Omby 72 voaroba tamin’ity fanafihana tany Betioky Atsimo ity. Niroso tamin’ny fanarahan-dia…