Tags: Jiolahy

Sady misaron-tava no mitondra basy. Tokantrano iray tetsy Isotry no voatafika ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Lasa ihany koa ny vola, ny volamena ary ny kojakoja maro tao an-tokantrano. Maro loatra ny fampiasan’ny jiolahy basy. Mila mieritreritra ny mpitandro ny filaminana ny amin’ny hisian’ny fanadihadiana lalina mba hahitana izay tena fipoiran’itony fitaovam-piadiana itony. D.R

Omaly alina, tonga nanafika teny amin’ny faritra Ankaraobato ny jiolahy nirongo basy. Vokany, voadaroka ny tompon’ny trano, lasan’ny mpandroba ny vola mitentina hatrany amin’ny 9 tapitrisa ariary, vola izay nolazain’ny voatafika fa vidin’ny fiara vao avy namidiny. Nosokirin’ireo mpangalatra ny hidin’ny trano. Tafiditra izy ireo dia ankizy iray no nentiny nambanana basy teo amin’ny tendany.…

Mirongatra ny vaky trano eto Antsirabe raha ny re etsy eroa indrindra Hatramin’ny niandohan’ny fetin’ny krismasy 2013 teo iny dia saika ho isan’andro no andrenesana izany. Tsy mifidy asiana ireo jiolahy fa ny manana ny antonontonony na ny manan-katao dia mahita faisana avokoa. Amin’izao androm-pahavaratra izao rahateo tsy re tsaika ireo jiolahy noho ny fitrahotrahon’ny…

Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tany amin’ny distrikan’i Maevatanàna ny alahady teo. Lehilahy iray voalaza ho jiolahy nikoizana sy nampitondra faisana ny mponina any amin’iny faritra iny no tra-tehaka ka notapahin’ny fokonolona avy hatrany ny lohany ary tsy nananana antra na kely akory aza. Raha ny loharanom-baovao marim-pototra dia teo anatrehan’ny olon-tiany no nanatontosana an’izany famonoana izany.…