Tags: kalach

Jiolahy anisan’ny tena nampitondra faisana ny any amin’iny faritra avaratry ny nosy iny, indrindra ny tao Nosy Be, no fantatra fa maty voatifitry ny zandary, omaly tany an-toerena. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa na dia efa izao voasambotra izao aza izy ireo dia nikasa handositra. Nanao fampitandremena ny mpitandro filaminana nefa tsy nijanona ry zalahy.…

Nisy zandary mpandamina fifamoivoizana , misava sy manara-maso ireo fiara mivezivezy amin’ny lalam-pirenena faha 6 iny, ny marainan’ ny 10 febroary teo tokotokony ho tamin’ ny 9 ora sy sasany teo ho eo. Nandalo teo amin-dry zalahy ireto dahalo ka nanao dia maika sy kaodikaody. Avy hatrany koa moa dia mahana ireto zandary ka nampijanona…

Voasambotry ny zandary ary natolotra ny fitsarana ny alatsinainy teo, ary mifonja vonjimaika amin’izao, ny dahalo dimy nanao fanamiana miaramila nirongo fitaovam-piadiana maherivaika nanafika tokantrano iray tao amin’ny kaominina Vohitrarivo, distrikan’Ambohimahasoa, ny asabotsy lasa teo. Tamin’ity fanafihana ity dia basim-borona iray sy bala miisa roa no lasan’ireo jiolahy. Tampoka tamin’ny niharan’ny fanafihana ny fahatongavan’ireo malaso…

Miparitaka ny basy amin’izao na ny vita gasy izany na ny tena izy. Ny harivan’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny dimy ora, tany Maevatanàna, dia lehilahy 32 taona tratra nitondra basy maherivaika « Kalachnikov » tao anaty entany mampihaihay nosamborin’ny zandary teny an-tsena. Rehefa nanatona ny mpitandro filaminana dia lasa nitsoaka ity lehilahy ity ka nifanenjehana eran’ny…

Dimy lahy nirongo « kalachnikov » nanafika tokantrano iray tetsy Andoharanofotsy. Tsy vitan’izany fa tena nampiasain’ireo ilay basy ary napoaka. Izany dia nentina hampitahorana ny iray trano. Vola mitentina 200.000 Ariary no voaroba, niaraka tamin’ny kojakojan-tokantrano toa ny fahitalavitra. Nisy firavaka volamena sy finday lasa ihany koa.

Na dia tsy nisy basy nipoaka aza, nihorohoro ny iray trano ary nanaraka izay nolazain’ny jiolahy Tsy alim-be akory fa vao tamin’ny valo ora alina dia efa mivoaka ny jiolahy mitam-basy. Miisa folo izy ireo raha araka ny fitantaran’ny voatafika. Mitondra basy lava, “kalachnikov”, ny telo tamin’ireo. Tsy nisy na inona na inona azo natao…