Tags: Mandoto

Herinandro izay no nahatongavan’ny andiam-balala tao amin’ny distrikan’i Mandoto. Marihana fa valala avy ao Miandrivazo, faritra Menabe, ireo. Tsy mbola nisy fiantraikany tamin’ny volin’ny tantsaha aloha hatreto ny fisian’ireo andiam-balala ireo, ary tsy mbola naharay fitarainana ny lehiben’ny  distrika raha ny resaka nifanaovana taminy. Toerana dimy ao Mandoto no ipetrahan’ireo andiam-balala ka faritra iray no…

Ny alatsinainy 18 febroary teo, tokony tamin’ ny sivy ora sy sasany maraina no tonga nanafika ny tanàn’ Ankazondrano ny dahalo folo lahy. Basim-borona sy kibay ary antsy no teny antanàn’ izy ireo tamin’ izany ; tonga dia niditra ankeriny tao an-tanàna izy iero ka nanambana avy hatrany izay sendra azy tsy hiantso vonjy na hikiakiaka,…

Mandoto : Rava ny “bande des 10”, mbola karohina ny mpanao ody gasy

Natolotra ny fampanoavana omaly talata ireo « bandes des 10 » voasambotra tao Ankazomiriotra. Isan’ireo jiolahy nampihorohoro tamin’iny faritra iny mihitsy izy folo lahy ireto raha ny fampintam-baovao avy tamin’ny borigady Ankazomiriotra sy ny kaompania Mandoto. Misy andiany maromaro ireo jiolahy amin’izany ka ireto aloha no voasambotra hatreto. Marihina fa dimy no tratra voalohany tamin’izy folo lahy…

Ny 31 desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany maraina dia nitrangana lozam-pifamoivoizana tamin’ny làlam-pirenena faha-34, mankany Morondava iny. Tao Mandoto no niseho ny loza teo amin’ny PK 100+400. Vokatry ny torimasofotsy nahazo ny mpamily no nahatonga izany, ka nivoaka ny làlana ny fiara ary nilatsaka tany anaty hantsana. Fiara Hyundai izy…

Nahitam-bokatra indray ny hetsika nataon’ny zandarimaria eto amin’ny faritra Vakinankaratra. Ravan’izy ireo indray mantsy ny andian-dahalo nikasa hanao fanafihana tao amin’ny faritra andrefan’i Vakinankaratra iny,izay faritra mena tokoa amin’ity asan-dahalo ity. Tao amin’ny kaominina Vasiana no voasambotra izy valo lahy ireto, voalaza fa  nampitaraina sy nampihorohoro ny mponina tokoa. Tao amin’ny fokontany Beakanga no nisamborana…