Tags: Manja

Saika isan’andro tsy maintsy ahenoana asan-dahalo arahina vono olona foana any amin’ny distrikan’i Manja, faritra Menabe. Ny marainan’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny dimy ora, malaso 77, ny 40 amin’ireo nirongo basim-borona, no nanafika tao amin’ny fokontany Sambalahy, kaominina ambanivohitra Anosibe-centre, 25 km miala ny tampon-tanàna’i Manja. Omby 350 no very. Taorian’ny fanafihana dia nanao…

Velona ary tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Toliara nanomboka ny sabotsy teo ilay pôlisy izay voalaza fa matin’ny dahalo. Ny tongony no tapaka rehefa nilatsaka tao anaty lavaka nandritra ny fitsoahany. Dahalo maherin’ny 80 lahy, nanao fanamiana miaramila ny sasany, nitondra basy « kalach 4» ary « Mas 36 », no nifanandrina taminy nandritra ny adiny enina latsaka, tao amin’ny…