Tags: matinny

Nahitam-pahombiazana sahady tao anatin’ny iray volana ny paikady napetraky ny Lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana vaovao, ny Jly Robert, amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy asan-dahalo nampalaza ratsy iny faritra iny. Ny alatsinainy teo dia malaso iray tamin’ireo andian-dahalo avy nangalatra omby  250 tao amin’ny fokontany Ampisoa sy Besalampy ny alahady alina lasa teo, no lavon’ny…

Miandrivazo : Miaramila nandroba matin’ny fokonolona

Nanao fanamparam-pahefana tao amin’ny toeram-pisotroana ireo mpitandro ny filaminana roa lahy. Naka vola, nitifitra. Tezitra ny olona… Tezitra ny olona noho ny nafitsok’ireto miaramila mitam-basy. Vao nanomboka ny taona dia efa feom-basy no niainana tao Miandrivazo ny alarobia teo, andro voalohan’ny 2014. Niditra tao amin’ny trano fisotroana ireo miaramila roa izay rehefa nohamarinina dia miasa…