Tags: maty

Mirongatra toa tsy misy fanafany ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo isak’alina any amin’ny kaominina Ankililoaka, distrikan’i Toliara II amin’izao, ka miaina ao anaty horohoro tanteraka ny mponina na dia manao izay ho afany amin’ny ady amin’ireo mpanao ratsy ny mpitandro filaminana any an-toerana. Omaly dia tokantrano telo samihafa no indray voatafika. Rangahy iray no maty…

Ny alakamisy teo tokony tamin’ny telo ora folakandro no nisehoan’ny fanafihana fiarakodia ity . Fiara « 404 baché » mpitety tsena irony no lasibatra tamin’izany. Nanao andiany roa ry zalahy ireto ,ka ilay andiany voalohany teo aloha no tratran’ny  fanafihana, tsy nisy resaka fa avy hatrany dia tifitra vary raraka no nitsena ireto fiara roa. Teo anelanelan’ny…

Tany Andranovory Toliara, ny alarobia lasa teo tany ho any amin’ny telo ora hariva, no nisy ireto dahalo roa nanao fanamiana miaramila nitondra Kalachnikov,nanakana ity mazda iray nitondra mpiantsena. Avy namonjy tsena tany Vineta moa ireto olona ireto no tojo ny fanafihana. Iny nandeha moramora hijanona iny tokoa mantsy ny fiara no avy hatrany dia…

Ny alahady lasa teo no nisehoan’ity vono olona ity  tao Mahajanga tao amin’ny fokontany Marosakoa.Tsy fantatra marina ny fototry ny fifamaliana fa dia nanomboka niakatra ny feo ary tsy nijanona teo amin’ny fifamaliana intsony fa niova lasa fifamonoana,moa va tsy irony mitranga amin’ny sarimihetsika ireny. Rehefa samy tsy nety resy dohika ireto roalahy dia tapa-kevitra…

Nitohana ny làlana teny amin’ny lalam-pirenena fahafito omaly. Tokony ho tany amin’ny 10 ora tany ho any, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Andoavato Tanjombato. Vokany, zaza kely, lahy, vao 5 taona no namoy ny ainy. Ny vaovao no nahalalana fa niaraka niantsena tamin’ny zokiny ity zaza ity io maraina io. Raha mbola variana anefa ilay zokiny,…

Ny alarobia lasa teo, tany Vatolatsaka, distrikan’i Betioky Atsimo, dia dimy mianaka ao amin’ny fianakaviana iray  no maty notifirina tsy nananana antra tamin’ny fomba feno habibiana, noho ny resaka ady sipa nitarika lonilonim-pihavanana taty afara. Tovolahy iray 22 taona no notifirin’ny dadatoany, ka maty tsy tra-drano, telo volana lasa izay. Nofonosin’ilay dadataoany lay ny fatiny…

Saika isan’andro tsy maintsy ahenoana asan-dahalo arahina vono olona foana any amin’ny distrikan’i Manja, faritra Menabe. Ny marainan’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny dimy ora, malaso 77, ny 40 amin’ireo nirongo basim-borona, no nanafika tao amin’ny fokontany Sambalahy, kaominina ambanivohitra Anosibe-centre, 25 km miala ny tampon-tanàna’i Manja. Omby 350 no very. Taorian’ny fanafihana dia nanao…

Ny alahady 2 martsa 2014 tamin’ny 05ora sy sasany tolakandro,eo avaratra kely tsy lavitra ny restaurant        Etoile Rouge no nahafatesan’olona roa : zaza iray 3taona izay napetraky ny renibeny amin’ny sisin-dàlana sy tovolahy 19 taona nitaingina bisikilety. Vokatry ny firimorimon’ny fiara nentin’olona avy nisotro toaka. Ny mponina vitsivitsy mipetraka manakaiky ny làlana nandalovan’ilay fiara ka nanontanianay…

# – Tetezan’i Sambirano. Camion lehibe iray mpitatitra hasy no nivadika teo amin’ny fidirana ny tetezana. Ny alin’ny zoma teo, tany amin’ny sivy ora sy sasany alina, no nitrangan’izany ,  ary ny sabotsy maraina tamin’ny telo ora maraina vao afaka. Araka ny vaovao azo teny an-toerana dia ny « ballotage » no niavian’ny loza # -Sambava. Zazalahy 4…

Fiara niala avy aty Antananarivo an’ny  Orinasa iray no tradoza tany Andriba RN4 mampitohy an’Antananarivo sy  Mahajanga. Nitondra entana haterina any Mahajanga ity fiara ity no izao niharan-doza izao ka roa lahy mpiasa tao amin’ity orinasa ity no maty avy hatrany, mbola tsy fantatra marina ny niavian’ny loza fa eo am-panaovana ny fanadihadiana ny tomponandraikitra…