Tags: maty

Tao amin’ny tokantrano iray, ny alin’ny faha-22 febroary lasa teo, no nisehoana fanafihana mitam-boadiana tao an-tampon-tanànan’Antalaha. Olona iray no maty tamin’ny fitifiranana nataon’ireto jiolahy ireto ary lasan’izy ireo koa ny lelavola mitentina 380 tapitrisa ariary. Nandositra ireo nahavanon-doza avy teo. Raha naheno ny vaovao ny zandary teto Sambava, fa nandositra any Antalaha izy ireo, dia…

Lehilahy iray tokony ho eo amin’ny 16 taona eo no namoy ny ainy noho ny asan-dahalo. Raha araka ny fanazavan’ny zandary ao Ambalavao dia mpianatry ny lycée iray ao an-toerana izy. Mbola tsy ampy taona ary ao amin’ny kilasy faharoa (seconde), raha ny tohin’ny fanazavana. Nentanin’ny namany hafa izy mba hiaraka aminy hanao fanafihana. Dia…

Noho ny fifaninana dia hadino tanteraka ny fitandremana. Dia hihafy amin’ny hetraketrak’ireo mpamily hatrany ve ny mpampiasa taxi-be? Namono olona indray ny fiara fitateram-bahoaka, ary tsy iza fa ny reseverany ihany no namoy aina vokatry ny hetraketraka sy ny tsy fitadreman’ny mpamily. Zava-doza tokoa no niseho tetsy Nanisana fa ilay taxi-be zotra 194 ihany no…

Tamin’ny fomba feno habibiana no namonon’ireo jiolahy ilay mpivarotra omby tao amin’ny kaomina Tsarahonenana Sahanivotry Antsirabe II. Ankeviny efa fantatr’ireo jiolahy ihany ny fandaharam-potoanan’ity raim-pianakaviana ity. Nandrasan’ireo jiolahy tamina toerana mangigina ity farany ,rehefa avy nandray ny vidin’ombiny. Lavitra ny  toeram-ponenany rahateo no nakana ny vola, ka mora tamin’ireo jiolahy no nanao velapandrika ny làlana…

Omaly angamba, tamin’ny tantaran’ny firenena, no be kortezy indrindra nifamezivezy teto an-drenivohitra. Tsy kortezy mariazy akory fa kortezin’ireo manam-pahefana isan-karazany sy ny vahiny manan-kaja maro. Mazava ho azy fa nifandraika tamin’ny famindrana ny lakilen’ny lapa tesy Iavoloha izany. Nifanaretsaka eran’ny tanàna ny kortezy avy atsy sy avy aroa. Ankoatra ny fahafatesan’ny zaza iray tetsy Ankadindratombo…

Notsaboina nandritra ny efatra andro teny amin’ny hopitaly ny ankizy vavy kely iray 16 taona vokatry ny ratra nahazo azy. Ny talata hariva anefa dia tsy tana ny ainy fa maty izy. Izany no vokatry ny fandonan’ny fiara ity ankizy ity tamin’ny sabotsy lasa teo tetsy Mahamasina. Mpiara-monina maromaro eny Anosibe Mandrangobato no nifamotoana vao…

Lehilahy iray tokony ho 40 taona no maty nianjera avy eny ambony esafôdazy, teny Ambohipo, afakomaly tokony ho tamin’ny 4 tolakandro. Araka ny fanazavana azo dia mpanamboatra trano ity lehilahy ity. Raha teo am-panaovana ny asany indrindra izy, teny ambonin’ilay trano, no fantatra fa nisy tapaka ny fanamafisana ilay esafôdazy. Nianjera avy eny ambony eny…

Espalanade Analakely : Lehilahy maty nitambotsotra tsy lavitra ny gabone

Tsy fantatra marina hatramin’izao ny nahazo an’ity lehilahy. Tsy naharitra ela dia tapitra ny ainy Omaly tokony ho tamin’ny 8 ora tany ho any, gaga avokoa ny olona teny amin’ny Espanade Analakely nahita ity lehilahy iray nitambotsotra teo am-pitsanganana. Araka ny vaovao re teny an-toerana dia nijanona tampoka ny fony. Olona tokony ho eo amin’ny…

Toamasina. Nitsangana tao amin’ny « morgue » : nesorina ny odiny vao tena maty

Nitana ny sain’ny maro ny momba ilay jiolahy izay efa maty voatifitra kanefa nitsangana nitsoaka indray tao amin’ny tranom-paty. Tsy niala ny ainy raha tsy nesorina avokoa ireo zavatra miloko mena tao amin’ny efitrano nitazonana azy. Nandoa zavatra mavomavo izy ary avy eo nijinika ny rà tamin’ny tenany. Ity farany dia vokatry ny balan’ny basin’ny…

Sambany no nisy toe-javatra sahala izao niseho teny ambavahandin’ny hôpitaly. Maro ireo olona hita faty an-dàlana, matin’ny fahantrana, hoy ny maro mpilaza Lehilahy iray no hita faty teo ambavahadin’ny “morgue” teny amin’ny HJRA, omaly maraina. Mifamahofaho be ihany ny vaovao voaray mikasika ity fahafatesana ity. Teo anivon’ny hôpitaly no nahalalana fa efa nandeha tao amin’ny…