Tags: miparitaka

Mitovy marika avokoa ireo grenady nampiasaina tamin’ny asa fampihorohoroana. Vita rosiana izy ireo ary tsy dia misy mifanalavitra ny laharana hita taminy na ny « lotissement ». Nanamafy ny lehiben’ny zandary eto Analamanga, fa tambajotra iray ihany no ao ambadiky ny fanapoahana grenady. Ny olona eo anivon’io no tompon’andraikitra tamin’ny fanipazana io fitaovam-piadiana io tetsy amin’ny fivarotan-tsolika…

Taorian’ireny fety roa nifanesy ireny (krismasy sy taom-baovao) dia niparitaka izay tsy izy ny vola sandoka iray alina ariary any amin’ny distrikan’ Ambohimahasoa sy ny manodidina. Ny mpivarotra no tena lasibatra ka efatra izao no tratran’ireto mpanaparitaka vola sandoka ireto tamin’ny alàlan’ny fividianana entana ny asabotsy lasa teo, tao an-tsenan’Asabotsy sy tao an-tsenan’Atalata. Mpivarotra iray…