Tags: mitam-piadiana

Saika miaina ao anatin’ny tebiteby  amin’izao fotoana izao ireo vahoaka ambanivolon’ny Didy. Mirongatra izay tsy izy mantsy ny fanafihana mitam-piadiana ataon’ireo jiolahy. Tamin’ny 18 febroary  teo dia mpivarotra iray no notafihan’ireo jiolahy ka lasa ny volabe manodidina ny 3 150 000 Ar  ,voatifitra ihany koa ilay rangahy tompontrano , maty tsy tra-drano. Noho ny ezaky ny zandary…

Vola saika hanefana ny karaman’ny mpiasa no lasan’ny jiolahy mitam-basy. Efa-dahy izy ireo no tompon’andraikitra tamin’izany raha araka ny vaovao azo tany an-toerana. Orinasa misahana fiambenana izay ao Tanamakoa no misy ny biraony ity lasibatra ity, ny zoma tokony ho tamin’ny sivy ora latsaka. Teo am-bavahadin’ny fiasana mihitsy no nandrasan’ireo olon-dratsy ilay olona nitondra ny…