Tags: mpamaky trano

Ravan’ny mpitandro filaminana indray ny andian-jiolahy mpamaky trano  teto Antsirabe. Valo mianadahy  no voasambotry ny polisy ny faran’ny herinandro lasa teo. Tato ho ato, saika ho isan-kerinandro, dia nahitam-bokatra hatrany ny asan’ny mpitandro filaminana. Nirongatra izay tsy izy mantsy  ny vaky trano teto Antsirabe, indrindra hatramin’ny niandohan’ny volana febroary lasa teo. Anisan’ny lasibatra tamin’izany ny…

Efa tena raindahiny amin’ny famakiana trano ireto jiolahy tratra tao amin’ny fokontany tao atsinanan’ny vohitra ireto. Iraika ambin’ny roapolo taona moa ny zandriny indindra, telo ambin’ny telopolo taona kosa ny zokiny, « barre à pince » sy antsibe ary famaky no fitaovana entin-dry zalahy ireto amin’izany,  ary  efa trano fito amin’izao no novakian’izy ireo. Kojakoja fampiasa ao…

Antsirabe : Mpamaky trano efa-dahy voasambotry ny polisy

Olona efa avy nigadra avokoa ireto voasambotra ireto indray. Nisy tamin’izy ireo efa nahavita 10 taona Mirongatra izay tsy izy ny vaky trano teto Antsiabe hatramin’ny niandohan’ny volana desambra 2013 lasa teo. Saika ireo fokontany manodidina dia andrenesana izany avokoa. Tsy fantatra aloha hatreto raha misy tambajotra mihitsy ireo mpanao ratsy fa dia isaky ny…

Mirongatra ny vaky trano eto Antsirabe raha ny re etsy eroa indrindra Hatramin’ny niandohan’ny fetin’ny krismasy 2013 teo iny dia saika ho isan’andro no andrenesana izany. Tsy mifidy asiana ireo jiolahy fa ny manana ny antonontonony na ny manan-katao dia mahita faisana avokoa. Amin’izao androm-pahavaratra izao rahateo tsy re tsaika ireo jiolahy noho ny fitrahotrahon’ny…