Tags: Mpitondra sarety

Nivezivezy toeram-pitsaboana telo ity rangahy ity vao tena noraisina an-tànana ny momba azy. Tao ny hopitaly tsy nisy fitaovana, tao ny hopitaly nihidy “cadenas”…manara-penitra. Teo amin’ny faritry ny lohany no notsatohana antsy ka nahatonga azy ho lavo tamin’ny tany, ny alin’ny alahady teo. Ny olona sendra nandalo no nahita azy ka nanao izay ho afany…