Tags: Mpivarotra

Ny alin’ny talata tamin’ny 9 ora, mpivarotra iray eny amin’ny faritra Ambatomaro no notafihana jiolahy miisa dimy nirongo basy. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa vao avy nanidy tsena tsy ela ny tompony. Avy hatrany dia nopitsohan’ireo mpangalatra ny varavarana ary teo izy ireo no niditra. Rehefa tao an-trano ry zalahy dia voaambana basy ny rehetra…

Nisehoana fanafihan-jiolahy tao an-tanànan’Antsampanimahazo Antsirabe II amin’ny lalam-pirenena fahafito iny  ny alahady 12 janoary teo. Jiolahy 12 lahy mirongo fitaovam-piadiana no tonga nanafika toeram-pivarotana iray. Ankeviny efa fantatr’ireo jiolahy ihany ny fisian’ny vola tao amin’ity toerana ity. Araka ny fantatra mantsy dia vola maty nandritra ny faran’ny herinandro teo no najifan’ireo jiolahy. Andro tsy fisokafan’ny…