Nisehoana fanafihana tao Merimiakatra Andranomanelatra Antsirabe II ny alin’ny alahady 26 Janoary teo. Fianakaviana iray no notafihana andian-jiolahy miisa dimy lahy, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Tsy nisaron-tava ireo jiolahy, tsy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ihany koa fa baraminina nanapoirany ny trano sy vato no teny an-tanany, raha ny fanazavana voaray. Teo an-davarangana no…
Tags: nanafika
Itaosy : Enin-dahy nitondra basy nanafika, lasa ny vola
Ny marainan’ny alahady tamin’ny 1 ora sy 10 minitra, notafihana jiolahy miisa enina nitondra basy vita gasy ny tokantrano iray teny Sahalemaka Ambaniala Itaosy. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nanao be fiditra ireto mpangalatra ireto. Raha vao toa an-trano izy ireo dia ny vola no nangatahany. Voambana basy ny tompon,-trano ary tsy afaka nihetsika. Voatery…
Isotry : Jiolahy misaron-tava nanafika
Sady misaron-tava no mitondra basy. Tokantrano iray tetsy Isotry no voatafika ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Lasa ihany koa ny vola, ny volamena ary ny kojakoja maro tao an-tokantrano. Maro loatra ny fampiasan’ny jiolahy basy. Mila mieritreritra ny mpitandro ny filaminana ny amin’ny hisian’ny fanadihadiana lalina mba hahitana izay tena fipoiran’itony fitaovam-piadiana itony. D.R
Ankazomiriotra : Dahalo folo lahy nanafika, voasambotra ny telo
Nisehoana fanafihan-dahalo tao amin’ny tanana antsoina hoe Ankazomanefa atsimokelin’ny tanan’Ankazomiriotra ny faraparan’ny volana desambra lasa teo. Voalaza araky ny loharanom-baovao maripotitra avy any an-toerana fa folo lahy mirongo fiadiana mahery vaika ireo dahalo. Tsy miova ny fisehon’ny fanafihana fa toy ireo fandre matetika . Poa basy avy hatrany no re vantany vao tafiditra ny tanana…
Ambatolahy : 12 lahy nanafika, lasa ny volabe
Ny alin’ny 30 hifoha 31 desambara dia notafihina dahalo 12 lahy mirongo basy sy antsy ny tokantrano iray tao Ambatolahy – Mandoto. Tsy iza ity voatafika ity fa ny olona mpanangona ny « ristourne » ao an-toerana ihany. vola 840.000 ariary no norobain’ireo jiolahy tamin’izany. Nalain’izy ireo ihany koa ny taratasy « quittance » maromaro izay fanangonam-bola. Nandositra niatsinanana…
Ihorombe – Andiolava : 10 lahy nanafika ny komandàn’ny zandary
Andian-jiolahy nironga basy “ kalach” no fantatra fa nanafika ny tranon’ny komandin’ny zandary ao Andiolava any Ihorombe tamin’ny alin’ny alatsinainy teo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tsy tao an-toerana ilay “commandant de brigade” tamin’io fotoana io,fa lasa tany Fianarantsoa. Ireo vady aman-janany sy ny mpanampy no tratran’ireo jiolahy. Nopoirin’izy ireo ny varavarana dia teo izy…
Anosizato Atsinanana : Efa-dahy mirongo basy nanafika, olona iray voatifitra
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tetsy Anosizato Atsinanana afak’omaly alina. Miisa efatra ireo mpanafika ary mirongo “kalach sy Pistolet Automatique (P.A)”. Niditra an-keriny tao an-trano ry zalahy ary nanambana basy ny tompon-trano no sady nanery azy ireo hanome ny vola rehetra tao an-trano sy ny firavaka sarobidy ary ny finday. Nisy anefa ny fanapoahana basy ka olona…