Tags: nisy nitifitra

Tamin’ny alakamisy lasa teo, raha handeha hody avy namonjy tsena ny mpianaka dia nisy nitifitra teny an-dàlana tambonin’ny môtô nentiny. Tamin’ny 6 ora hariva tamin’izay. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambalanirana any Tsiroanomandidy no nisehoan’izany. Nirefotra ny basy, avy hatrany dia nipitika izy ireo. Naratra avokoa izy mianaka fa ilay raim-piankaviana no tena voa mafy…