Tags: notapahin-doha

Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tany amin’ny distrikan’i Maevatanàna ny alahady teo. Lehilahy iray voalaza ho jiolahy nikoizana sy nampitondra faisana ny mponina any amin’iny faritra iny no tra-tehaka ka notapahin’ny fokonolona avy hatrany ny lohany ary tsy nananana antra na kely akory aza. Raha ny loharanom-baovao marim-pototra dia teo anatrehan’ny olon-tiany no nanatontosana an’izany famonoana izany.…