Tsy mety mijanona ny halatra omby ataon’ny dahalo any amin’ny disitirikan’Ankavandra sy any Miandrivazo. Vosokajy ho faritra mena ireo toerana ireo raha ny asan-dahalo no tenenina. Tsy mikely soroka miady amin’izany ny Zandary any an-toerana, indrindra hatramin’ny nametrahana “Officier coordinateur”, ka misy ny vokatra azo. Ny 11 avril 2014 dia malaso 12 lahy mirongo barim-borona…
Tags: omby
Ambatondrazaka : Nisy nanafika ny “abattoir”, omby folo very
Na dia eo ampovoan’ny tanàna aza no misy ny toerana famonoana omby eto amin’ny tanànan’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao dia sahin’ireo dahalo ny nangalatra ireo omby misa 10 tao. Araka ny fanazavana voaray dia misy ireo omby saika hamidy ny ampitso , misy ireo omby vao tonga, ka samy nanjavona avokoa. Omby roa somary efa reraka…
Tsiroanomandidy : Dahalo telo nanafika, iray matin’ny fitsaram-bahoaka
Ny 8 avril tolok’andro teo no nisehoan’izany, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Morafeno notafihan’ireto dahalo telo lahy mirongo basim-borona avy hatrany teny an-tanety ireto omby miraoka vilona.Tsy nahatohitra ireto tompon’omby fa be noho vitsy, ka dia aleo nilavo lefona sady tanam-polo rahateo manoloana ny basy. Omby telopolo no lasibatra tamin’izany ary mbola nalain’ireto mpangalatra ihany…
Amboasary Atsimo : Vehivavy roa novonoin’ny dahalo tamin’ny fomba mamoehatra
Nihetraketraka indray ireo malaso nanafika tao Behara, distrikan’Amboasary Atsimo ny fiandohan’ity herinandro ity. Tsy vitan’ny nangalatra omby tao an-tanàna ireo dahalo fa nandatsaka ain’olona tsy manan-tsiny. Vehivavy roa no maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo, rehefa avy noviravirain’izy ireo teo imason’ny fokonolona tsy afa-nanoatra. Anisan’ny mampirongatra ny asa ratsy samihafa any amin’ity renivohitry ny asan-dahalo sy…
Antsirabe : Dahalo nody maina
Ny sabotsy teo no nilatsaka tao amin’ny tanàna iray tao Sahanivotry ireto dahalo miisa 20 lahy, omby miisa 48 no lasibatra tamin’izany. Haingana tokoa ny fifandrombonan’ny fokonolona sy ny zandary tao antoerana ka tsy lasa lavitra ireto olon-dratsy dia tratran’ireto mpanara-dia,raikitra ny fifanjevoana ka tsy naharesy tosika ireto mpanara-dia ny dahalo ka lasa nitsoaka nandositra,ny…
Miandrivazo : Saika matin’ny fitsaram-bahoaka, mpianatry ny CEG nangalatra omby
Goragora ve fanabeazana sy ny rafi-piarahamonina amin’izao, fa hatramin’ny mpianatra eny amin’ny CEG dia mangalatra omby, toy ny tranga tany Miandrivazo ny zoma lasa teo. Roa lahy no tra-tehaky ny fokonolona nangalatra omby niraoka ahitra teny an-tsaha, izay lehilahy 21 taona ny iray niaraka tamin’ity tovolahy mpianatra taona fahatelo ity. Romotra noho ny firongatry ny…
Mahatsinjo-Antsirabe : Raikitra ny halatr’omby
Mirongatra ny halatr’omby eto Antsirabe, lasibatry ny asan-jiolahy ireo fokontany amin’ny ilany antsinanana iny. Omby vavy be ronona iray no lasan’ny dahalo tamin’ny herinandro lasa teo, tao amin’ny fontany Mahatsinjo Antsirabe I.Tsy nisy nahare ny nangalan’ireo olon-dratsy ny omby tao am-bala ny tompon-trano fa ny maraina andeha hitery ronono vao nahatsikaritra fa tsy tao intsony…
Betioky Atsimo : Mpiandry omby roalahy maty voatifitra, omby 72 lasan’ny dahalo
Mbola mandravarava ny dahalo any Atsimo. Ny herinandro lasa teo iny, dia telo lahy niandry omby teny an-tsaha notafihan’ny malaso, ka maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra variraraka ny roa. Niezaka nitsoaka ilay tovolahy fahatelo nefa azon’ireo olon-dratsy sambo-belona ka nataon’izy ireo takalonaina. Omby 72 voaroba tamin’ity fanafihana tany Betioky Atsimo ity. Niroso tamin’ny fanarahan-dia…