Tags: oniversite

Ny alakamisy 26 febroary efa tamin’ny fito ora hariva no naparitaky ny  EMMOREG tany Toamasina, teny amin’ny oniversité Barikadimy, ireto mpianatra nanao fitokonana vokatry ny fahatapahan’ny jiro. Nanao ny fitakiana izy ireo mba hamerenana izany haingana, satria io no lazain’izy ireo fa fototry ny fianarana ary fitaovana tena ilaina hianarana sy handrahoana ny sakafo, ary…

Raha mbola tsy milamina ny toe-draharaha any amin’ny oniversite any Mahajanga dia fantatra izao, fa manana ny fitakiana koa ny avy ao Barikadimy ao Toamasina. Taratasy misokatra lava no nalefan’izy ireo any amin’ny tompon’andraikitra. Raha atao bangotokona izany dia mahasahana ny fiainan’ny oniversite iray manontolo. Nandefasan’izy ireo an’io taratsy io ny tompon’andraikitra any an-toerana. Singanina…

Niisa telo izy ireo, mpinamana avokoa ary samy mpianatry ny oniversite, niara-nilalao teo an-dranomasina ny zoma lasa teo. Nidiran-doza tampoka anefa satria nahery ny rano ary nentiny izy ireo. Samy nateliny tany izy telo saingy mba avotra  soa aman-tsara ny roa rehefa navoakany, fotoana fohy taty aoriana. Ilay fahatelo kosa tsy mbola fantatra na maty…

Ny alarobia teo no nivoaka ny didy raha ny alatsinainy no natolotry ny polisy nisahana ny fanadihadiana ny fitsarana ireo olona 10 voarohirohy tamin’ny fandrobana ny fitahirizam-bola ka nahavery ny vola iray miliara tao amin’ny oniversiten’i Toliara, ny alin’ny 23 oktobra lasa teo. Olona fito no naiditra am-ponja vonjimaika ka mpiasan’ny oniversite ny efatra, anisan’izany…