Tags: polisy

Ny sabotsy 12 avril teo no tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny  Boriboritany Fahadimy Mahamasina ny mpividy sy mpivarotra basy antsokosoko. Mbola tratra  niaraka tamin’ny basy PA vita gasy miisa roa miaraka amin’ny bala folo sy Basy  Revolver iray miaraka amin’ny bala efatra. R Justin moa no anaran’ity lehilahy tratra ity ary 31 taona izy.…

Olona telo izao no efa naiditra am-ponja vonjimaika mahakasika ny fanafihana teny Analahamintsy. Misy vehivavy ny iray amin’ireo. Omaly no naterin’ny namany tao  amin’ny biraon’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava ny miaramila iray izay miasa eny Ivato, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Ramiaramila. “Niaraka tamin’ny fianakaviany izy tao, asa raha te-hanao mampalahelo ka…

Jiolahy telo lahy indray no saron’ny polisim-pirenena teto Antsirabe ny 5 aprily lasa teo. Volaza fa jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana izy telo lahy ireto anisan’ireo nampihorohoro ny mponina teny Andrefatsena, Atsinanantsena ary Ambohimena, saingy tsy tratra niaraka taminy kosa ireo fitaovam-piadiana fampiasany. Entana maro be toy ny fahitalavitra, bisikileta, solovolo sy fanamiana miaramila sns ……

Naharay vaovao ny polisy avy misahana ny heloka be vava fa misy fiara iray R 21 teny amin’ny manodidina an’Imamba. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia tombanana fa nampiasaina tamin’ny fakana an-keriny karàna ity fiara ity ary rehefa vita izay nilana azy dia napetraka teny amin’io toerana io. Mitohy hatrany araka izany ny famotorana ataon’ireo misahana…

Saron’ny pôlisin’ny BC i Rolland, isan’ireo jiolahy nanafika ny “perception principale” etsy Analamahitsy. Mbola niaraka tamin’ny basy P.A sy bala miisa 14 io olon-dratsy io, raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny sampandraharahan’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava, ny Komisera Rakotondrasoa Jean de Matha. Io farany ihany no nanazava fa mbola misy jiolahy roa hafa…

Anio maraina amin’ny folo no hihaona amin’ny mpanao gazety ny pôlisy misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava. Ankoatra ny vokatra momba ny fampandriam-pahalemana dia isan’ny horesahin’izy ireo manokana ny momba ireo mpiandry fonja naiditra am-ponja. “Nisy fandrahonana ny pôlisy ary nolazaina mihitsy fa lehilahy izy ireo raha mahatafiditra ireo mpiandry fonja eny Antanimora. Niainga…

Vonoan’olona, fanafihana mitam-basy. Roa taona taty aoriana, avy eny Tsiafahy, dia efa iny indray ity jiolahy ity fa niverina amin’ny asaratsiny… Anarana efa tsy zoviana amin’ny faritr’Itaosy sy Ambohidrapeto iny I Solo Paingotra. Ny antony dia efa betsaka ny nahita faisana tamin’ny asaratsy nataony. Tao no voatifitra, ny voatsatoka antsy, ny voaroba trano. Isan’izay ilay…

Jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana miisa dimy indray no saron’ny polisy ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Tato ho ato dia saika ahitam-bokatra hatrany ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana eto Antsirabe. Tra-tehaky ny polisy manao fisafoana amin’ny alina mantsy ny jiolahy telo lahy tao Andranomafana. Nanaitra ny polisy manao fisafoana ny fihetsik’izy telo ireto  fa…

Soavimasoandro : Baomba hita tao amban’ny akalana mpivarotra anana

Tsy maintsy nampoaka ilay baomba ary dia nirefotra tokoa Ny alakamisy 27 febroary teo tokony tamin’ny enina ora maraina no nahitan-dRamatoa Paulette teo akaikin’ny fivarotany legioma izany. Efa mahazatra ity ramatoa mpivarotra ity ny maka ny entany vao maraina any Anosibe rehefa amin’ ny dimy ora maraina iny, avy eo moa izy dia miverina ary…

Tao amin’ny tokantrano iray, ny alin’ny faha-22 febroary lasa teo, no nisehoana fanafihana mitam-boadiana tao an-tampon-tanànan’Antalaha. Olona iray no maty tamin’ny fitifiranana nataon’ireto jiolahy ireto ary lasan’izy ireo koa ny lelavola mitentina 380 tapitrisa ariary. Nandositra ireo nahavanon-doza avy teo. Raha naheno ny vaovao ny zandary teto Sambava, fa nandositra any Antalaha izy ireo, dia…