Tags: polisy

Antsirabe : Jiolahy  sy jiovavy 8 ravan’ny pôlisy

Ravan’ny pôlisy  indray ny tambazotrana jiolahy iray teto Antsirabe , nampikaikaika ny mponina teny  Ambohimena tamina resaka vaky trano. Valo no voasambotra hatreto ary vehivavy ny iray. Nanomboka ny asabotsy 22 febroary no nanao ny fisamborana ny polisy, vaovao avy tamina olona tsara sitrapo no nahafantarana ny fisian’ireto olon-dratsy ireto. Niainga tamin’izay ny fanadihadihana ka raha…

Lehilahy nitondra rongony  iray indray no saron’ny polisy ny alarobia 19 Febroary lasa teo, tao Tombontsoa. Tsy kely làlana tokoa ny ratsy fa dia mahita hevitra hatrany hanaovana asa maloto. Fisavana mahazatra fanaon’ny mpitandro filaminana no nahatratrana ity lehilahy ity. Nandeha fiara “taxi-brousse” hihazo an’Antananarivo izy  no izao saron’ny polisy izao. Nandritra ny fisavana nato…

Soanierana : Mpisoloky ho mahavita « visa » voasambotra

Tsy kely lalana ny ratsy. Milaza ho mahavita izay rehetra tadiavin’ny olona matetika. Tamin’ity indray mitoraka ity dia fanaovana visa indray no nisolokian’ny olona. Voasambotry ny pôlisin’ny « Service Central des Enquêtes Spécialisées » etsy Anosy ny alin’ny alarobia teo, teny Soanierana I Tovo, 36 taona, noho izany antony izany. Nazavain’ny pôlisy fa mpisoloky amin’ny fanaovana Visa…

Nanaitra ny olona tokoa ny marainan’ny zoma teo tetsy Ivato ny fipoakan’ ny feom-basy ka nampikoropaka ny sasany.Nisy tamin’ ireo mponina mihitsy aza no efa niezaka hiantso ny mpitandro filaminana  fa noheverin’izy ireo ho olon-dratsy manao fanafihana. Sarinady sy fanazarantena anefa no nitranga, satria mpianatra efatra ho mpitsara no nanao fanazarantena nitifitra tamin’ny  ” pistolet…

Hafakely ity zava-nitranga ity. Vao mangiran-dratsy, bandy efa-dahy no nifamaly sy nitabataba tao amina toerana iray mangingina tao amin’ny fokontany Ampatana-Antsirabe. Ny alarobia lasa  teo no nitrangan’ity fifamaliana ity. Teny ratsy variraraka no nanaitra ny mponina manodidina ka tonga nijery ny zava-nisy. Indreo izy efa-dahy, tsy nifanara-tsaina tamin’ny fizarana ny entana vao avy nangalarina. Raikitra…

Fanafihana Antanimena : Olona efatra avy niandry faty nosamborina

Petara fa tsy grenady ilay nampiasain’ny jiolahy nandeha môtô ka nampisahotaka ny mpitandro filaminana. Ratsy fivoahana izy ireo, satria sendran’ny toe-javatra mbola nifamahofaho be ary mbola nafana be ny fitadiavan’ny pôlisy ireo jiolahy tetsy Antanimena, fotoana fohy taorian’ny fanafihana ilay toeram-pisakafoanana teo an-toerana. Vao avy niandry faty izy ireo ka handeha hamonjy tokantrano no nifanena…

Accès banque : Mpiambina minisitry ny FAT i Zorgie

Mandroso hatrany ny fanadihadiana etsy Anosy. Ankoatra ny efa namantarana ny roa tamin’ireo mpanafika ny Accès Banque Andavamamba ,ka namoahana “avis de recherche“ an’i Voay sy Zeorgie dia mbola mitombo bebe kokoa hatrany ny vaovao momba azy ireo. Loharanom-baovao akaiky ny mpanao fanadihadiana no nahafantarana fa mpiambina ny minisitra iray tamin’ny andron’ny tetezamita i Zeorgie.…

Accès banque : Karohina i Voay sy Zorgie

Tsy niandry ela dia efa fantatra ny momba ny roa tamin’ireo nanafika. Voay sy Zorgie no fiantso azy ireo raha araka ny fanazavan’ny BC. Mihazakazaka ny fandehan’ny raharaha etsy amin’ny Brigade Criminelle (BC) etsy Anosy. Samy mampiasa ny loharanom-baovao sy ny olom-pantatra avokoa ny pôlisy mpanao fanadihadiana taorian’ny fanafihana ny Accès Banque tetsy Andavamamba afak’omaly.…

Antanimena : Baomba sandoka nampisahotaka ny mponina

Tsy natao ambanin-javatra ny fahitana ilay sakaosy nampiahiahy. Omaly tokony ho tany amin’ny 11 ora tany ho any, nisahotaka ny teny Antanimena fa nisy sakaosy nampiahiahy teo amin’ny sisin-dalana ampitan’ny fivarotan-dasantsy Total. Ny voavao vaoray no nahalalana fa tamin’io maraina io, nisy olona nitondra moto naniraka ankizy iray hanatitra sakaosy ao amin-dry Masera. Nomeny vola…