Tags: Trano

Rehefa tsy misy na tsy azo ny omby hangalarina dia mamaky trano ireo malaso. Trano 60 mahery no norobaina andian-dahalo  45 nirongo basy tany Iakora ny 15 janoary lasa lasa teo. Fanaka, akoho amam-borona niampy kojakoja fampiasa an-dakozia  izay zakan’ireo olon-dratsy no nentiny. Na dia nampihorohoro tanteraka aza ireto andian-dahalo ireto, hoy ny loharanom-baovao avy…

Nirefondrefotra ny basy, nihorohoro ny olona ary nanao izay danin’ny kibony ny jiolahy. Tetsy Ambodiafontsy, tanàna iray akaikin’Ampitatafika no nisehoan’izany ny maraim-ben’ny alahady teo. Trano telo no nasesin’ireo olon-dratsy, tao anatin’ny fotoana fohy. Tao amin’ny tokantrano voalohany dia niandry ary vonona ny hifanehitra tamin’ireo olon-dratsy ny tompon-trano. Nahatonga iretsy jiolahy nitifitra izany. Naratra voan’ny bala…

Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy, nisehoana fandrobana intelo nisesy teny Anosiala Ambohidratrimo. Andian-jiolahy nirongo basy no nanafika trano telo be izao. Nitovy hatrany ny fomba nidiran’izy ireo ny trano. Tao amin’ny voalaohany, nopitsohany ny varavarana ary teo izy no niditra. Tsy sahy nihetsika, na dia nahare ny fahatongavany aza, ny tao an-trano. Rehefa azony izay…