Tags: voatafika

Rehefa tsy misy na tsy azo ny omby hangalarina dia mamaky trano ireo malaso. Trano 60 mahery no norobaina andian-dahalo  45 nirongo basy tany Iakora ny 15 janoary lasa lasa teo. Fanaka, akoho amam-borona niampy kojakoja fampiasa an-dakozia  izay zakan’ireo olon-dratsy no nentiny. Na dia nampihorohoro tanteraka aza ireto andian-dahalo ireto, hoy ny loharanom-baovao avy…

Nirefondrefotra ny basy, nihorohoro ny olona ary nanao izay danin’ny kibony ny jiolahy. Tetsy Ambodiafontsy, tanàna iray akaikin’Ampitatafika no nisehoan’izany ny maraim-ben’ny alahady teo. Trano telo no nasesin’ireo olon-dratsy, tao anatin’ny fotoana fohy. Tao amin’ny tokantrano voalohany dia niandry ary vonona ny hifanehitra tamin’ireo olon-dratsy ny tompon-trano. Nahatonga iretsy jiolahy nitifitra izany. Naratra voan’ny bala…

Vehivavy iray no nasain’ireo jiolahy nitarika azy ary nanontaniany izay tranona mpanakarena Ny marainan’ny alarobia tamin’ny 1 ora, notafihana jiolahy miisa enina nitondra basy poleta telo ny tranona mpanao zaitra an-tsena iray teny Nanisana akikin’ny toerana antsoin’ny olona hoe “Sapin”. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa niari-tory niasa ny olona tao amin’ilay trano. Araka izany, tsy…

Ny alin’ny alakamsiy hifoha zoma, tokantrano telo tao amina trano lehibe iray eny Andavamamba no notafihan’ny jiolahy roa nirongo basy sy nanao saron-tava. Araka ny loharanom-baovao, nihanika tamboho ireo mpandroba ireo ary rehefa tao an-tokotany ry zalahy dia nopitsohiny ny varavarana fidirana. Nivantana tao amina efitra iray izy ireo. Tsy nisy olona anefa tao ka niala…

Notafihan’ny jiolahy nirongo basy ny ben’ny tanànan’Ampanihy (Mahabo – Morondava) ny volana jona lasa teo. Niisa valo ireo mpanafika ary nandroba vola, firavaka sarobidy ary ny basin’ity ben’ny tanàna ity. Nisy olona roalahy noahiahian’ny mponina ho tafiditra tamin’io fanafihana io satria nampiahiahy ny maro ny fihetsiny. Taorian’izay dia nandositra avy hatrany tany Morondava ireo olona…

# Iavoloha, fanafihana tsy tontosa. Tonga ara-potoana ny mpitandro ny filaminana rehefa nantsoin’ny mponina  ao amin’ny tompon’ny trano iray izay saika hotafihan’ny jiolahy, ny alin’ny asabotsy hifoha alahady teo. Efa nopoirin’ireo olon-dratsy ny varavarana no tonga ireo mpitandro ny filaminana. Rifatra nitsoaka ary tsy nisy azo. # Faratsiho, mpitoto vary voatafika. Telo lahy mitam-basy no…