Tags: Vola sandoka

Misy ny olona te hanankarena tampoka tsy ampy fitahin’ny sasany mora foana. Efa voa vao manenina Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boroborintany faha-5 ny lehilahy iray mialaza fa mahay mampitombo vola amin’ny fahaizany manokana. Maro ny tetika ampiasainy amin’izany. Tamin’ny alatsinainy teo izy, niantso olona tamin’ny telefaona ary nilaza fa hainy ny mampitombo…

Taorian’ireny fety roa nifanesy ireny (krismasy sy taom-baovao) dia niparitaka izay tsy izy ny vola sandoka iray alina ariary any amin’ny distrikan’ Ambohimahasoa sy ny manodidina. Ny mpivarotra no tena lasibatra ka efatra izao no tratran’ireto mpanaparitaka vola sandoka ireto tamin’ny alàlan’ny fividianana entana ny asabotsy lasa teo, tao an-tsenan’Asabotsy sy tao an-tsenan’Atalata. Mpivarotra iray…

Niainga tamin’ny varotra vato ny raharaha : vola sandoka no nomen’ireo mpividy ny mpivarotra. Velon-taraina ireto farany ary mbola tsy nitory akory dia efa « pôlisy » no tonga tao an-tranony. Nitonona ho komisera ny iray ary nilaza ny hanomezana avy hatrany ireo vola sandoka. Nalaina ireo vola izay mitentina 6 tapitrisa ariary ary mbola nasaina nandoa amboniny…