Tags: zandary

Tsy mety mijanona ny halatra omby ataon’ny dahalo any amin’ny disitirikan’Ankavandra sy any Miandrivazo. Vosokajy ho faritra mena ireo toerana ireo raha ny asan-dahalo no tenenina. Tsy mikely soroka miady amin’izany ny Zandary any an-toerana, indrindra hatramin’ny nametrahana “Officier coordinateur”, ka misy ny vokatra azo. Ny 11 avril 2014 dia malaso 12 lahy mirongo barim-borona…

Notanterahina tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava  omaly, ny tatitra momba ny seho niseho farany tamin’ity volana ity. Voaresaka ny raharaha mafampana tato ho ato. Notanisaina tamin’izany ny seho nitranga tamin’ny 4 aprily lasa teo izay nisiana « camion » anankiroa nitatitra hazo sarobidy, izay tsipihina etoana fa tsy « bois de rose » akory fa « palissandre”. Ny iray moa dia…

Ny alakamisy teo tokony tamin’ny telo ora folakandro no nisehoan’ny fanafihana fiarakodia ity . Fiara « 404 baché » mpitety tsena irony no lasibatra tamin’izany. Nanao andiany roa ry zalahy ireto ,ka ilay andiany voalohany teo aloha no tratran’ny  fanafihana, tsy nisy resaka fa avy hatrany dia tifitra vary raraka no nitsena ireto fiara roa. Teo anelanelan’ny…

Ny alahady lasa teo no nisehoan’ity vono olona ity  tao Mahajanga tao amin’ny fokontany Marosakoa.Tsy fantatra marina ny fototry ny fifamaliana fa dia nanomboka niakatra ny feo ary tsy nijanona teo amin’ny fifamaliana intsony fa niova lasa fifamonoana,moa va tsy irony mitranga amin’ny sarimihetsika ireny. Rehefa samy tsy nety resy dohika ireto roalahy dia tapa-kevitra…

Ny sabotsy teo no nilatsaka tao amin’ny tanàna iray tao Sahanivotry ireto dahalo miisa 20 lahy, omby miisa 48 no lasibatra tamin’izany. Haingana tokoa ny fifandrombonan’ny fokonolona sy ny zandary tao antoerana ka tsy lasa lavitra ireto olon-dratsy dia tratran’ireto mpanara-dia,raikitra ny fifanjevoana ka tsy naharesy tosika ireto mpanara-dia ny dahalo ka lasa nitsoaka nandositra,ny…

Ny alarobia lasa teo, tany Vatolatsaka, distrikan’i Betioky Atsimo, dia dimy mianaka ao amin’ny fianakaviana iray  no maty notifirina tsy nananana antra tamin’ny fomba feno habibiana, noho ny resaka ady sipa nitarika lonilonim-pihavanana taty afara. Tovolahy iray 22 taona no notifirin’ny dadatoany, ka maty tsy tra-drano, telo volana lasa izay. Nofonosin’ilay dadataoany lay ny fatiny…

Saika isan’andro tsy maintsy ahenoana asan-dahalo arahina vono olona foana any amin’ny distrikan’i Manja, faritra Menabe. Ny marainan’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny dimy ora, malaso 77, ny 40 amin’ireo nirongo basim-borona, no nanafika tao amin’ny fokontany Sambalahy, kaominina ambanivohitra Anosibe-centre, 25 km miala ny tampon-tanàna’i Manja. Omby 350 no very. Taorian’ny fanafihana dia nanao…

Analamahitsy : Fahatratrarana  basy sy bala ary fitaovana maromaro hoentina manafika

Arifomba tokoa ny fitaovana entin’ireo jiolahy manafika Teny Analamahitsy, ny sabotsy  lasa teo, no tratehaky ny zandary teny Analamahitsy Marais-Masay ny andian-jiolahy mitam-basy. Enina izy ireo no fantatra fa  ao anin’ity tarika mpanao ratsy ity, araka ny loharanom-baovao. Jiolahy efatra no voasambotra fa ny roa kosa tafatsoaka. Vaovao azo avy amin’ny fitsongona dia tetsy sy…

Tao amin’ny tokantrano iray, ny alin’ny faha-22 febroary lasa teo, no nisehoana fanafihana mitam-boadiana tao an-tampon-tanànan’Antalaha. Olona iray no maty tamin’ny fitifiranana nataon’ireto jiolahy ireto ary lasan’izy ireo koa ny lelavola mitentina 380 tapitrisa ariary. Nandositra ireo nahavanon-doza avy teo. Raha naheno ny vaovao ny zandary teto Sambava, fa nandositra any Antalaha izy ireo, dia…