Tags: zandary

Jiolahy anisan’ny tena nampitondra faisana ny any amin’iny faritra avaratry ny nosy iny, indrindra ny tao Nosy Be, no fantatra fa maty voatifitry ny zandary, omaly tany an-toerena. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa na dia efa izao voasambotra izao aza izy ireo dia nikasa handositra. Nanao fampitandremena ny mpitandro filaminana nefa tsy nijanona ry zalahy.…

Ny asabotsy  alina teo  no nanafika tanàna iray tao Alakamisikely ireto jiolahy telo, niantso vonjy ny tao an-tanàna ka vetivety dia vory ny fokonolona, kibay sy antsibe ary vato moa ny teny an-tànan’izy telo lahy ireto, ka tsy nampihemotra ireto fokonolona ny fanoherana azy, avy hatrany dia raikitra ny fifanjevoana ka azo sambo-belona tamin’izany ny…

Tsy fantatra marina ny ahalalan’ny jiolahy ny toerana misy vola horobain’izy ireo Ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 4 ora sy sasany tany ho any, nisahotaka ireo olona marobe tonga hanala azy teny Andranobevava, etsy amin’ny Marais Masay. Raikitra mantsy ny fisamborana jiolahy nataon’ny mpitandro filaminana. Ny vaovao voaray no nahalalana fa nahazo filazana ny zandary…

Manomboka izao dia hapoaka avokoa izay baomba hita mba ho fiarovana ny ain’ny olona sy ny mpitandro ny filaminana… Vao maraina ,ny mpandalo sy ny mpihazakazaka no nahatsikaritra zavatra nosarontsaronana tao anaty baoritra sy “sachet”. Rehefa nozahana dia baomba vita gasy indray no hita tao. Nisy finday niraikitra tamin’ilay baomba. Midika izany fa baomba azo…

Nanaitra ny olona tokoa ny marainan’ny zoma teo tetsy Ivato ny fipoakan’ ny feom-basy ka nampikoropaka ny sasany.Nisy tamin’ ireo mponina mihitsy aza no efa niezaka hiantso ny mpitandro filaminana  fa noheverin’izy ireo ho olon-dratsy manao fanafihana. Sarinady sy fanazarantena anefa no nitranga, satria mpianatra efatra ho mpitsara no nanao fanazarantena nitifitra tamin’ny  ” pistolet…

Lehilahy iray tokony ho eo amin’ny 16 taona eo no namoy ny ainy noho ny asan-dahalo. Raha araka ny fanazavan’ny zandary ao Ambalavao dia mpianatry ny lycée iray ao an-toerana izy. Mbola tsy ampy taona ary ao amin’ny kilasy faharoa (seconde), raha ny tohin’ny fanazavana. Nentanin’ny namany hafa izy mba hiaraka aminy hanao fanafihana. Dia…

Nisy zandary mpandamina fifamoivoizana , misava sy manara-maso ireo fiara mivezivezy amin’ny lalam-pirenena faha 6 iny, ny marainan’ ny 10 febroary teo tokotokony ho tamin’ ny 9 ora sy sasany teo ho eo. Nandalo teo amin-dry zalahy ireto dahalo ka nanao dia maika sy kaodikaody. Avy hatrany koa moa dia mahana ireto zandary ka nampijanona…

Voasambotry ny zandary ary natolotra ny fitsarana ny alatsinainy teo, ary mifonja vonjimaika amin’izao, ny dahalo dimy nanao fanamiana miaramila nirongo fitaovam-piadiana maherivaika nanafika tokantrano iray tao amin’ny kaominina Vohitrarivo, distrikan’Ambohimahasoa, ny asabotsy lasa teo. Tamin’ity fanafihana ity dia basim-borona iray sy bala miisa roa no lasan’ireo jiolahy. Tampoka tamin’ny niharan’ny fanafihana ny fahatongavan’ireo malaso…

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tao Vohitsara, lalam-pirenena fahafito misy ny tobin’ny zandarimaria ny alahady 5 janoary 2014 tokony ho tamin’ny valo ora alina Teo am-panaovana ny asany ity mpitandro filaminana iray no no nofaohin’ny fiara iray tsy mataho-dalana nentina teratany vahiny. Manam-bady gasy ity vahiny ity ary niaraka tamin’ny zanany izy mivady tamin’io fotoana io. Avy any…

Nahitam-pahombiazana sahady tao anatin’ny iray volana ny paikady napetraky ny Lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana vaovao, ny Jly Robert, amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy asan-dahalo nampalaza ratsy iny faritra iny. Ny alatsinainy teo dia malaso iray tamin’ireo andian-dahalo avy nangalatra omby  250 tao amin’ny fokontany Ampisoa sy Besalampy ny alahady alina lasa teo, no lavon’ny…